Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fanaovana fahazoan-dalana na “Licence” nomerika ho an’ny mpitondra fiara karetsaka na taksia eto Antananarivo renivohitra.
Vita eo noho eo izany ary maimaimpoana no fanaovana azy, hoy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina. Hahafahana miady amin’ny “licence” hosoka, ny fakana vola tsy ara-drariny, sy ireo kolikoly isan-karazany moa no voalaza fa tanjona amin’izany. Hezahan’ny kaominina hatrany ny mba hanafaingana ny fikarakarana taratasy rehetra eto anivon’ny kaominina, hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 100 ireo tompona fiara efa nisitraka izany sahady izay samy faly tamin’izao ezaka nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra izao. Raha tsiahivana dia anisan’ny mampidi-bola ho an’ny fanjakana ny fiara karetsaka ka mendrika ny hotohanana sy ampiana. Mahatratra 180.000 Ariary isam-bolana ny patanty alohan’ny tompona fiara iray. 15.000 Ariary isaky ny efa-bolana ihany koa ny hofan’ny tobim-piantsonana tsy maintsy alohany ankoatra ny trano fiantohana. Rariny araka izany raha havahana ireo fiara karetsaka tena ara-dalàna mba ahafahana manafoana ireo manararaotra ity asa ity. Mahatratra 4.000 isa amin’izao ireo fiara karetsaka miasa eto an-drenivohitra.