FIZAKAMANANA SY NY HAITAO VAO : Fanoitran'ny Indostria

Tanjon’ilay “Fifaninanana nasionaly momba ny Fahitana vao” izay karakarain’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny (OMAPI), ny hanome aina vao, ireo voka-pikarohana eto Madagasikara. Mba ho tena ho azo hampiharina izany ka ho lasa tetikasa indostrialy hampiroboroboana ny toekarena malagasy. Ireo voka-pikarohana miompana amin’ny sehatry ny angovo sy ny fambolena ary ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana no hahafahan’ireo mpifaninana mandray anjara amin’izany.

Afaka mandray anjara avokoa ireo orinasa na ireo fikambanana na ireo mpikaroka manerana ny nosy. Ny fifaninanana izay manome lanja ny fiarovana amin’ny Fizakamanana ara-indostria. Vina apetraka amin’izao fifaninanana izao, ny hampiroborobo ny fahaiza-manao ara-teknolojia eto Madagasikara. Eo ihany koa ny hampitombo ny harin-karena faobe ho lasa 30 isan-jato hatramin’ny 2040. Hifarana ny 29 may 2026 ny fotoana fara-fametrahana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana raha efa nisokatra ny 23 febroary lasa teo izany. ” Ny fizakamanana sy ny haitao vaovao: fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny indostria” no lohahevitry ny fifaninanana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi