« Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina… ». Izany tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny I Tim 4 : 4 izany no nanompanan’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely ny fambolen-kazo notanterahiny ny 06 Febroary lasa teo, teny Ampangabe.
Nanterin’ny Mpitandrina Maholy Rakotonavalona tamin’izany fa mila mikolo ny zavatra nataon’Andriamanitra ny olona, indrindra ny kristiana. Koa manana anjara tandrify izany ny mpianakavin’ny finoana avy ao amin’ny FJKM Ambohitantely, satria mila ho ngazana ny tontolo iainana ankehitriny.
Araka izany dia zanakazo miisa 2 800 no novolena tamin’io fotoana io, izay nifandrombonan’ny sampana samihafa ao amin’ny Fiangonana.
Na dia tsy nahomby loatra aza ny vokatra natao tamin’ny herintaona dia tsy kivy ny Fiangonana. Hisy kosa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny fokontany any an-toerana manomboka eto.
