Efa dimampolo taona no nijoroan’ny “Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra” na ny “FOFIFA” etsy Andraisoro Ampandrianomby. Ivon-toerana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ny Fofifa.
Misehatra amin’ny fanatsarana ny tontolo iainan’ny Tantsaha (mpamboly sy mpiompy) ny Fofifa. Tafiditra anatin’izany ny fanomezana masomboly tsara kalitao sy afaka misedra ny fiovaovan’ny toetrandro vokatry ny fahasimban’ny Tontolo iainana. Tsy mijanona hatreo amin’ny famokarana”masomboly fototra” (Semences de base) ho an’ireo Tantsaha ny Fofifa fa manolotra fiofanana manodidina ny fomba fambolena azy ireny. Nomarihan’i Profesora Leong Pock Tsy Jean Michel, Tale jeneralin’ny Fofifa fa tsy famokarana masomboly toy ny Vary ihany no iseharan’ny Fofifa fa misandrahaka amin’ny katsaka, apemba, voanjo, sns ireo teknisianina malagasy nzndranto fahalalana tany Dilambato.
Ankoatry ny foibe eto Analamanga misy ireo rantsan’ny Fofifa miendrika ivon-toerana fikarohana madinika any amin’ny faritra. Ireto farany izay mifandray mivantana amin’ireo Tantsaha eny ifotony ho amin’ny famaliana ireo filana takian’izy ireo mba hahafahana mampitombo sy manatsara ny kalitaon’ny vokatra. Azo ambara, araka izany, fa “Fanoitra” lehibe ho amin’ny fanatanterahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fisian’ny Fofifa. Anisan’ny fomba entin’ny Fofifa mandresy lahatra ireo Tantsaha ho amin’ny fampiasana ny masomboly tsara kalitao ny fametrahana ireo “Vitrines” any amin’ny faritra sy ny fanapariahana ireo voka-pikarohana.
Marihana fa an-taonany maro (dimy hatramin’ny folo taona) vao vita ireo dingana arahana amin’ny asa fikarohana ho amin’ny famokarana masomboly tsara kalitao sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetrandro. Anisan’ny fepetra hahazoana vokatra betsaka sy tsara kalitao ankoatry ny fampiasana masomboly tsara kalitao ny fahaizana mifehy ny rano sy ny fahafantarana mialoha ny toetoetry ny tany ho volena.
Ampahany amin’ireo masomboly tsara kalitao novokarin’ny Fofifa ny “Tsemaka” izay ampiasaina amin’ny fambolem-bary any Alaotra. Anisan’ny olana sedrain’ny Fofifa ankehitriny ny tsy fahampian’ny velaran-tany ampiasain’izy ireo. Azo antoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha toa ka misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fambolena sy ny fiompiana izay kitro ifaharan’ny asa fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Vonona hifanome tanana ho amin’izany rahateo ny “Fofifa”.


