"GOSPEL VIBE CHRISTMAS ÉDITION 2025" : Sambany hisy eto Madagasikara

“Gospel vibe Christmas”, rindran-kira hampiainana ny tontolo manodidina ny andro krismasy na ny nahaterahan’ilay Zanak’Andriamanitra tonga Olombelona ho famonjena izao Tontolo izao. Hiala amin’ny mahazatra rehefa andro Noely ny “Gospel vibe Christmas édition 2025” hotanterahana ny 24 desambra, iarahana amin’ny “Jaws band”, hanomboka, amin’ny telo ora tolakandro, ao amin’ny Amphithéâtre n’ny sekoly Sainte famille Mahamasina noho ny hanomezana sehatra ny fomba fihira “Gospel” izay tsapa fa ankafizin’ireo Tanora Malagasy ankehitriny.

Nomarihan’i Tahiana avy ao amin’ny “Giga vibes évent” mpiketrika ny hetsika fa ezahana hifameno amin’ny fampiainana ny andron’ny krismasy ankoatr’ireo hira ho kaloin’ny Tarika “Jaws band” ihany koa ny pitsopitsony ara-teknika hampiasaina eny an-toerana. Singanina amin’izany ny haingon-tsehatra, ny “effets spéciaux” izay hiavaka tokoa amin’ny fampiasa hatramin’izay ary ny fampiasana ireo loko mampiavaka ny fetin’ny krismasy. Haharitra hatrany amin’ny ora telo ny “Gospel vibe Christmas”.

Hisy ny fizarana aim-panahy eny an-tsefatsefan’ny fiarahana. Azo ambara fa fanatanterahana ny fanamby goavana apetraky ny “Gospel vibes évent” dia ny manolotra seho tsy mbola nisy teto Madagasikara sy ny fikendrena ny hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva hatrany ho an’ireo mpankafy ny fanoloran’izy ireo ny “Gospel vibe Christmas”. Hisy ny fihenam-bidy ho an’ireo mividy ny tapakila dieny izao etsy amin’ny koots Mahamasina, Nect’art Antanimena. Nanentana ireo mpijery hivatsy labozia ny mpikarakara amin’ny andron’ny fampisehoana. Hisy ny “show drone” eny an-toerana. Etsy Ampandroana Ivato no misy ny foibe-toeran’ny “Giga vibes évent” Ity farany izay miezaka hatrany mamaly ny filan’ireo hikarakara lanonana amin’ny endrika marolafy. Ny laharana 034 01 343 01 no hahafahana miserasera amin’izy ireo.

Vous aimerez aussi