GROUPE DE REFLEXION « TANORA LIAM-PIVOARANA » « Fiaraha-mientana sy fanovana toe-tsaina no ahafahana miaro ny Tontolo iainana »

Tafatsangana soamantsara ankehitriny ny Groupe de réflexion « Tanora Liam-Pivoarana » na ny Vondron’ny Mpandinika « TLP » ivondronan’ireo Olom-pirenena mahatsiaro tena fa mila mandray andraikitra ho amin’ny fampandrosoana ny firenena iombonana sy iadiana amin’ny fahalovana mikiky an’i Madagasikara misy ankehitriny isika. Antom-pisian’ny Groupe de réflexion « TLP », araka izany, izay misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra ny fanomezana sehatra malalaka ahafahana mifanakalo hevitra malalaka eo amin’ny samy Olom-pirenena amin’ny alalan’ny fibanjinana lohahevitra iray ary ahafahana mitondra ny vahaolana ho amin’ny fikatsahana mandrakariva ny « Soa iombonana ».

Anisan’ny lohahevitra efa nodinihana teo anivon’ny « TLP » ny manodidina ny tontolo iainana. Nivoitra tamin’izany ny fahatsapana fa mila ny ezaka sy ny fahatongavan-tsaina avy amin’ny isam-batan’olona tsy ankanavaka ny fahombiazan’ireo ezaka atao ho fiarovana ny « Tranobe iombonana » (Tontolo iainana), anarana nasalotry, ny Papa François. Hevitra nisongadina tamin’ny fihaonana ihany koa ny nahafahana nanaporofo fa efa tsy afaka mamaly zato isan-jato ny filan’ny Olombelona intsony ny Tontolo iainana misy ankehitriny noho ny faharavany. Vokany, lasa marefo tanteraka izy (Tontolo iainana) koa ahiana mafy hitarika tsy firindran’ny fomba fiainan’ny Olombelona izany (Asa fihariana). Ny « filana mandalo » tsy voahevitra sy tsy voalanjalanja miampy ny fitiavan-tena diso tafahoatra ka tsy afaka mitsinjo ny hafa intsony eo amin’ny samy Zanak’Olombelona no anisan’ny antony goavana mitarika ho amin’ny fahapotehan’ny Tontolo iainana. Samy resy lahatra ny rehetra fa misy rohy tsy afaka tapahina eo amin’ireo samy Voahary rehetra miaina ambany masoandro. Tokony samy hahay hifampitsinjo sy hanana fomba fijery lavitra mba tsy hamantanan’ny taranaka « Tontolo iainana mahamay », araka izany, isika mianakavy ho amin’ny fiatrehana ny ezaka hiarovana ny « Tranobe iombonana » izay noharin’i Papa François ho toy ny « Anabavy » izay mitaraina mafy tokoa ankehitriny vokatry ny fanapotehana sy ny fampiasana azy diso tafahoatra sy tsy voalanjalanja amin’ny endriny marolafy izay mitarika fangirifiriana tsy hay ambara ataon-dRaolombelona aminy. Tsarovy fa heloka lehibe ho an’ny Olombelona ny fanimbana ny Tontolo iainana izay azo adika ho famonoana sy fanapotehana sahady ny hoavin’ireo taranaka handimby. Aoka tsy ho tahotra no hanarahana ny didy aman-dalana voasoratra fa ho tena faharesen-dahatra tanteraka mba hiteraka vokatsoa tokoa ny fanajana azy ireny.

Vous aimerez aussi