GROUPE « HELL’S » Mivoy ny « Rock fusion », manandratra ny fandriampahalemana

Tany amin’ny taona 2017 no efa nijoro ny Groupe Hell’s (Fanafohizana ny hoe : « Hell rush ». Ankehitriny, i Chloé Soavina, vavitokana anatin’ny tarika miantsoroka ny lafiny feo sy fitendrena ny vatamaroafitsoka, Lallah Ramaharoson, mitendry ny apongamaroanaka, Andry Ramamonjisoa sy i Karim Djinah no miangaly ny gitara. I Mampionona amin’ny gitara beso no mandrafitra ny Groupe « Hell’s ».

Ny « Rock fusion » Rock, nasiana fangaron-gadona hafa toy ny « blouse » no lokon’ny mozika trandrahan’ny tarika. Mikaroka hatrany ireo mpikambana eo anivon’ity tarika ity ny fomba hahafahana manolotra mozika vaovao mahafeno ny famaritana ny atao hoe : « Kanto ». Ampahany amin’ny asa fikarohana ataon’izy ireo ny fiangaliana ny Rock amin’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana « Acoustique » Mora kokoa ny mampita ny hafatra anatin’ny tononkira ary tsy sarotra ny manainga ilay fihetseham-po lalina raiketin’ireo tsanganasa ho any amin’ireo mpankafy , hoy i Chloé Soavina anatin’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara tsotra sy ny korintsana ary ireo aponga vita malagasy.

Tombony ananan’ny tarika ny fahaiza-mamoron-kira samy ananan’ireo mpikambana rehetra, hoy i Chloé Soavina. Azo ambara ihany koa fa samy efa manana traikefa matanjaka amin’ny fiangaliana ny gadona Rock avokoa ireo mpitendry zavamanenon’ny Groupe « Hell’s » Tsotra, mazava ny hafatra voizin’ity tarika ity anatin’ireo tononkirany dia ny tokony hampanjakana ny fandriampahalemana, ny firaisankina, ny Fitiavana amin’ny endrika marolafy toy ny fitiavana ireo nahitana masoandro, tanindrazana, ny tontolo iainana, sns. Mitodika manokana amin’ireo Olombelona iharan’ny tsindry hazolena eny anivom-piaraha-monina toy ireo zaza amam-behivavy, Beantitra, ary ireo tsy manan-tsiny  maneran-tany iharan’ny famoretana amin’ny endriny maro sy ny ady amoizana ain’Olombelona vokatry ny fitiavan-tenan’ireo mpitondra ihany koa ny tarika mba hampitsahatra izany ho amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny firaisankina hiadanan’ny Ambanilanitra. Hita soritra ireo anatin’ilay kapila mangirana laharana faharoan’ny « Hell’s » nampisaloran’izy ireo ny anarana hoe : « In the name of love» Mampiara-dalana mandrakariva ny mahasoa sy ny mahafinaritra, araka izany, ny Groupe « Hell’s » Nanao antso avo ny amin’ny tokony hisian’ny firaisankina eo amin’ireo samy mpiangaly ny mozika rock eto Dago, ny tarika mba hahafahana mitondra ainga vao ho any amin’ny fahombiazana sy ahafahana manabe voho ny mozika rock vita malagasy. Andalam-panomanana ny fiketrehana seho goavana any Dilambato ho amin’ny taona 2025 ankehitriny ny Groupe « Hell’s ».

Vous aimerez aussi