GROUPE PROSH'ELY & KAIAMBA TENA IZY : Hanolotra "Cabaret nostalgique" eto Iarivo

Raikitra ! Etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Zoma 22 may ho avy izao, hanomboka amin’ny dimy ora hariva, no hiaka-tsehatra anatin’ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy efa ela fiandrasana.

Prosh'ely, andrarezin'ny Vazo Kaiamba, anisan'ireo hanokatra ny “Cabaret nostalgique”
Prosh’ely, andrarezin’ny Vazo Kaiamba, anisan’ireo hanokatra ny “Cabaret nostalgique”.

Ho ambohipihaonan’ireo samy andrarezin’ny mpiangaly ny vazo Kaiamba, ity “Cabaret nostalgique” ity, hoy, i Apponame, mpiketrika ny seho, avy ao amin’ny Studio Apponame, etsy amin’ny 67 Ha. Ho tazana eny an-tsehatra, araka izany, i Prosh’ely, Ozah Jérôme, Jean kely, Zozo Mananjary, Jacky Edmé, Rosemonde, Julien Raminia ary i Apponame. Ireo vazo Kaiamba tsy mety afaka am-bavan’ny maro n’ny taona enimpolo hatramin’ny sivy folo hiampy ny indran-kiran’ny tsanganasan’ireo mpanakanto malagasy sy vahiny (Interprétation) hiangalian’ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy no handrafitra ny fandaharan-kira eny an-toerana. Anisan’ny haneho ny talentany ihany koa ireo Tanora mahaleo mahalasa amin’ny sehatry ny mozika. Izy ireo izay manompana ny asa fikarohana ataony ho amin’ny fampiarahana ny Kaiamba amin’ny gadon-kira hafa.

Ankoatry ny fahafinaretan’ny sofina, tsy ho diso anjara amin’ny fisian’ireo karazan-tsakafo sy zavapisotro amidy eny an-toerana ihany koa ny kibo. Ho safononoky ny fahafinaretana tokoa, araka izany, ireo hiazo ny Le Pavé Antaninarenina, hanatanterahana, ny “Cabaret nostalgique” iarahana amin’ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy, ny harivan’ny roa ambiny roampolo may ho avy izao. Ny mozika kanto tokoa mantsy tsy mety vasoky ny taona maro mifandimby fa mitoetra sy mamiratra hatrany toy ny “Vazo Kaiamba”.

Vous aimerez aussi