GROUPE PROSH'ELY - KAIAMBA TENA IZY : Hanolotra "Cabaret nostalgique"

Ny alin’ny Zoma 03 aprily hoavy izao, eny amin’ny Espace Jerosalema Imeritsiatosika, no hanolotra ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. Ny “Apponame studio” no miketrika ny hetsika. Nomarihan’i Apponame fa hovazoina eny an-toerana ireo hira nanamarika ny taona enimpolo, fitompolo, valompolo ary ny sivifolon’ireo Mpanakanto malagasy sy vahiny. Ity “Cabaret nostalgique” ity no vakisehatry ny taona 2026 ho an’ny Groupe “Prosh’ely” sy ny “Kaiamba tena izy”.

Handrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny “Cabaret nostalgique” ny fivazoana ireo hira tsy mety konkan’ny taona maro mifandimby hiangalian’ny “Kaiamba tena izy” Hitohy amin’ny fanafanana ny sehatra amin’ny fandihizana hiarahana amin’ny “Groupe Prosh’ely” Anisan’ireo ho tazana eny an-tsehatra ireo andrarezin’ny vazo Kaiamba toa an’i Prosh’ely, Apponame, Jean kely, Ozah Jérôme, Charles martin, Raminia mananjary, Zozo mananjary, Rosemonde ary i Jacky Edmé.

Nohamafisin’i Apponame fa tsy mifidy gadon-kira lalaovina ireo tarika hanafana ny “Cabaret nostalgique” Midika fa samy tsy hisy ho diso anjara avokoa ireo sokajin-taona rehetra ho avy eny an-toerana. Ankoatry ny fankafizana ny mozika, hisy ihany koa ny sakafo sy ireo zavapisotro havanga eny an-toerana. Ny studio “Apponame” no hitan-tsoroka ny lafiny fanamafisam-peo. Aorian’Imeritsiatosika hoentina hitety faritra ny “Cabaret nostalgique” ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be mipariaka manerana ny Nosy.

Vous aimerez aussi