Tamin’ity taona 2023 ity no nitsangana ny Groupe « V@A ». « Vary amin’Anana », ahitana an’i Rass, Proof ary i Lucas TAN. Telo mirahalahy samy efa nilona ela tao anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika avokoa izy ireo ary manavia manavanana amin’ny lafiny famoronana, fitendrena, fandrindrana. « “Vary amin’Anana” no anarana nasalotra ny tarika noho izahay mivazo amin’ny fiteny frantsay sy malagasy miaraka anatin’ireo sanganasanay », hoy i Rass ary manana fomba fijery mivelatra be anatin’ny fanaovana mozika. « Ny ahafahana manapariaka ireo tsanganasa manerana ny vazantany efatra maneran-tany fa tsy eto an-tanin-janaka ihany no anton’ireo safidy ireo », hoy hatrany i Rass.
Ny gadona Rnb, soca (mozika Kiobanina) Afro beat, rap, Hip-hop, sns no iompanan’ny taokanton’ny « V@A » Heno anatin’ny fomba fihira sy fandrindrana ireo hiran’ny « V@A » hatrany kosa ilay « Fanahy » malagasy tsy hay kosehana ary ilay angolam-peo vitsy mpanana ankoatry ny Malagasy. Tsy mijanona hatreo amin’ny fivoizana ireo gadona ireo ny tarika fa manao asa fikarohana amin’ny fampiarahana azy ireny amin’ny ban-kira hafa mba hanome « Mozika mitoetra » mahatety vanim-potoana ary mahafeno ny famaritana ny atao hoe : « kanto ». Fikarohana efa vita ny fampiarahana ny « RnB amin’ny gadona avy atsy Afrika atsimo sy ny fampifangaroana gadona maromaro anatin’ny hira iray. Ireo trangam-piainana marolafy toy ny « fitiavana », « fitadiavana », « finoana », sns izay mety ho tojo ny « Manam-panahy » an-tany fandalovana Ireo no akora fototra tefin’ny Groupe « V@A » hoentiny manajary ireo sanganasany. Hafatra tsotra, mora raisina nefa mafonja ary sahaza ny rehetra. Anisan’ny mampiavaka ny Groupe « V@A » ireo. Misarika ny Malagasy hanana fijery mivelatra izy 03 mirahalahy eo am-piatrehana ny onjam-piainana. Nanentana ireo mpikirakira ny mozika ihany koa ry « V@A » hanao ny asa anatin’ny fahamatorana mba hiteraka vokatsoa ho an’ny kanto malagasy. Ampahany amin’ireo vazo efa maro mpankafy ny « Avelao » sy ny « Sahala ».
