IBERANANDRASANA JHONA AUGUSTIN « Anisany nanimba ny Maha-malagasy ny fivavahana kristianina »

Ankoatry ny fibosesehan’ireo riba sy kolontsaina ary fomba amam-panao vahiny teto amintsika izay niteraka fahaverezana sy fahapotehana teo amin’ny soatoavina malagasy toy ny firaisankina, fihavanana, sns dia tsy azo lavina, hoy i Iberanandrasana Jhona Augustin fa anisany naha potika ny « Maha-malagasy » ihany koa ny nidiran’ny fivavahana kristianina teto Madagasikara.

Nihavery ny hasina nananan’ireo « Olobe » toy ny Tangalamena, Hazomanga izy ireo izay anisany nandrafitra ireo « Ray aman-reny ara-drazana » teto amintsika. Vokany, tsy to teny loatra intsony teo anivon’ny fiarahamonina izy ireo noho ny nidiran’ny fivavahana kristianina izay niezaka mafy nanome lanja manokana sy nanindrahindra fatratra ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny fiangonana.

Niteraka tsy firindran’ny fiarahamonina malagasy ny  tsy fanajana sy tsy fanomezan-kasina intsony ireo « Zoky Ray aman-dreny » sy ny fomba amam-panao izay nampirindra ny fiarahamonina noho izy ireny niteraka ny fifanajana, fifanampiana ary firainkina mafy orina vita malagasy tanteraka fa tsy natao dika mitovy. Nahazo vahana, araka izany, ny tsy fandriampahalemana, ny fanaovana kolikoly, ny tsy fanomezan-kaisna ny aina lahitokana, sns. Hita taratra ihany koa ankehitriny fa ireo mpitondra fivavahana no inoan-teny kokoa sy ezahana omena sehatra malalaka amin’ny fanehoan-kevitra manodidina ny fiainam-pirenena raha mitaha amin’ny « Ray aman-dreny ara-drazana » eto Madagasikara izay mahafantatra betsaka ny fiainam-piaraha-monina malagasy noho izy ireo mitakosina akaiky amin’ny mpiara-belona sy noho izy ireo mahafantatra ny tantaram-pirenena sy ny vakomanitra malagasy izay antoka nampirindra ny fiainan’ny fiarahamonina fahagola. Ireo mpitondra fivavahana izay azo inoana fa manana ny tombontsoa azy ireo manokana na ho an’ny fiangonana fotsiny ihany ho arovana fa tsy toy ireo « Ray aman-dreny ara-drazana » izay mbola resy lahatra ny ankamaroan’izy ireo ho amin’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonan’ny Ambanilanitra tsy ankanavaka noho izy ireo mbola mandala hatrany ilay soatoavina malagasy toy ny « tsy misara-mianakavy ». Ankehitriny, manjaka ny samy maka ho azy. Tsy hita loatra intsony ilay fameroveron’ny fihavanana malagasy nanjakan’ny fifampitsinjovana. Sarotra noho izany ny hampirindra ny fiarahamonina noho ilay toe-tsaina tia tena diso tafahoatra mitarika ho any amin’ny tsy fifampitsinjovana sy tsy firaisankina intsony.  Antso avo no hatao, hoy i Iberanandrasana Jhona Augustin ny amin’ny tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra mahasoa ny firenena. Mila fahaizana mihaino, mijery ary mamakafaka lalina ireo tranga maro miseho ankehitriny anefa izany raha tiana ho tanteraka. Nanentana manokana ireo tanora izy mba hitodika amin’ny firenena ny zavatra rehetra hatao fa tsy hanjeny andro lava amin’ny rendrarendram-piainana tsy mahasoa fa mahafinaritra fotsiny ihany.

Vous aimerez aussi