JENERALY ALFRED RAKOTOMARONIRINA Vonona hampandroso ny Distrikan’i Kandreho

Olona manana vina ary vonona hitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana aminy ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred. Raha ny voalazany dia olana lehibe iainan’ny mponina any an-toerana ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ka vonona izy ary efa ao anaty “Projet” ny fampidirana rano fisotro madio any amin’ny Distrikan’i Kandreho raha ny nambarany hatrany.

Olana any an-toerana ihany koa ny fahazavan’ny tanàna ka hiezaka ny lehilahy hampiditra jiro maimaim-poana ho an’ny mponina any Kandreho. Raha mahakasika ny fifidianana Filohampirenena dia mahitsy ny voalazany fa izay olona na kandidà matahotra an’Andriamanitra no itongilanan’ny fony. Tsy miandany kosa anefa izy fa manaja ary vonona hiara_hiasa amin’izay kandidà lany ho Filoha eo. Tsy mora ny mampandroso an’i Madagasikara fa miankina amin’ny fatahorana an’Andriamanitra io. Amin’ny maha Jeneraly ny tenako no ilazako fa raha mitsinjo ny vahoaka ary mihaino ireo mpandraharaha ny mpitondra ka tsy manafangaro izany amin’ny resaka politika dia handroso i Madagasikara. Ny stock ana volamena sy ireo harena ankibon’ny tany eto dia ahafahantsika miohatra ny tanjaka sy fandrosoana any Dubaï.

Raha mahakasika an’i Kandreho manokana dia efa ela ny tenany no nitady lalana ahafahan’ity Distrika ity handroso ary efa eo ampelatanany io drafitra io. Maniry ny Jeneraly ny itondra anjara biriky ho fampandrosoana an’i Kandreho. Ho avy ny fanambarana aorian’ny fifidianana Filohampirenena amin’izay fifidianana manakaiky vahoaka ho avy manaraka eo.

Vous aimerez aussi