“Ny fahavononako handray andraikitra sy ny fitiavako ny Tanindrazako no nanosika ahy hilatsaka ho Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Arivonimamo”, hoy RANDRIANARISOA Manoa Vincent de Paul no naharesy lahatra ny maro anisa nametraka ny fitokisany tamiko hitantana ny Tanàna. Io no andalam-pehezan-teny nentin’ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo, nanokatra ny tafa nifanaovana taminy. Nanteriny, araka izany, ny fisaorana ireo rehetra nifidy azy sy ireo angady nananana sy vy nahitana ireo asa fampandrosoana teo anivon’ny Kaominina. Anisan’ireny ny fanjakana foibe, ireo ministera samihafa, ireo solombavambahoaka, Loholon’I Madagasikara ary ny Governoran’ny faritr’Itasy. Tsy nohadinoiny ihany koa ireo mpanohana tsara sitra-po ao Arivonimamo sy ny manodidina.
Ny Kaominina Arivonimamo izay miala 45 Km miala an’Antananarivo raha miazo ny Lalam-pirenena voalohany ary ahitana fokontany miisa 13, misy mponina sahabo ho 30 000 ankehitriny. Ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary ny fanaovana asa-tanana toy ny rary no seham-pihariana mibahan-toerana any an-toerana. Amperiny amin’ny fanatanterahana sy fanohizana ireo asa fampandrosoana marolafy mamaly mivantana ny filan’ireo mponina ny eo anivon’ny Kaominina, tarihan’ny Ben’ny tanàna RANDRIANARISOA Manoa Vincent de Paul sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Zava-bita marolafy, mitohy ny asa
Noho ny fitomboan’ny mponina dia ny fanitarana ny tanàna no nimasoana bebe kokoa. Tsy maintsy ampiarahina amin’izany ireo foto-drafitrasa ilain’ny mponina. Santionany amin’ireo zava-bita ny nanavaozana sy nanampiana ireo fitaovana ao amin’ny Biraon’ny Kaominina, mba ho fitsinjovana ireo mponina tsy ho lany fotoana amin’ny fanaovana sy fikarakarana ireo taratasy ara-panjakana. Anisan’ireny ny fandikana anaty solosaina ireo kopia fahaterahana. Nirosoana ihany koa ny fanorenana efitrano iray ho fitehirizana (Archivage) ireo atontan-taratasy. Ny lalana no fototry ny fampandrosoana, mirefy 30km eo ho eo no vita: tara, lalantany, lalankely, rarivato.
Maro ireo faritra tsy nahazo rano fisotro madio teo aloha (Fokontany, vohitra), ankehitriny dia azo lazaina fa milamina izy ireny. Mbola eo ampanitarana ny kaominina ankehitriny.
Fototry ny tsy fandriampahalemana ny tsy fisian’ny jiro. Maro no efa simba ireo andrinjiro, natao vaindoahan-draharaha sy laharam-pahamehana ny fanoloana ireo takamoa. Misy faritra maromaro efa nametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Mba hamporisihana ireo mponina hamokatra bebe kokoa hatrany sy ho fampitomboana ny vokatra ary hialàna amin’ny adi-tany dia karatany faobe miisa 3 000 no voatonta hatreto. Marihana fa karatany 5 000 isa no tanjona alohan’ny faran’ny taona 2023.
Isaorana manokana ny fanjakana foibe sy ireo solombavambahoaka nametraka ny EPP manarapenitra sy ny Lisea teknika.
Nomarihan’ny Ben’ny Tanàna fa mbola tsy tonga amin’ny tanjona irian’ny Vahoakan’Imamo ny tontolon’ny asa fampandrosoana ataony noho ny fidadasaky ny Kaominina sy ny tsy fahampian’ny enti-manana ary ny niatrehantsika ny valanaretina Covid- 19. Naneho hatrany ny fahavononany hanohy ireo asa efa natomboka sy ny fikojakojana ireo efa am-pelantanana ny Ben’ny tanàna.
Nitondra fanazavana momba ny fahitany ny atao hoe : “Sosialim-bahoaka” nolazain’ny filoham-pirenena ihany koa I RANDRIANARISOA Manoa Vincent de Paul. Misy hoy izy, ny sosialy vonjy rano vaky, ilaina ireny saingy mandalo ihany. Raha azo atao dia ny sosialy mitondra fampandrosoana maharitra “Socio-productif” no atao mibahan-toerana satria ny tsy fahampian’ny asa no isan’ny mahatonga ireo tsy fandriampahalemana eto anivon’ny Firenena. Amphany amin’ireny ny tokony ho fampiroboroboana ny fahasalamana, fampihenana ny tahan’ny zana-bola, fanampiana ireo tantsaha maro an’isa, fampiofanana arak’asa arahina asa eny na dia antselika (Emploi temporaire) ihany aza. Maro loatra ireo tsy an’asa eto Madagasikara, izay zary lasa vesatra sy olan’ny fiarahamonina.
Nitondra fanentanana mafonja ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka ny ben’ny tanànan’Arivonimamo ny amin’ny tokony handraisan’ny tsirairay andraikitra araka izay fanomezam-pahasoavana ananany sy ny manandrify azy. Raha tanteraka izany, azo antenaina ny hisian’ny fandrosoana ho an’i Gasikara, hoy izy. Mila Olom-pirenena “Vonona sy “Vanona” tokoa, araka izany, I Madagasikara malalantsika.
