LIONS CLUB ZONE 13 Nanadio teny Ankorondrano Andranomahery

Nanao asa tanamaro nanadio ny tanàna teny Ankorondrano Andranomahery ny Lions Club Zone 13 izay ahitana mponina miisa 13 337 sy ny Fokontany Tsaramasay misy mponina 2 876. Sady nanao fanentanana ny mponina mba ahay hanadio ny toerana sy hanaja ny fahadiovana ny Lions Club no nanao nanadio teny antoerana ihany koa. Araka ny nambaran’ny Ramatoa prezidà dia tsy mijanona eny antoerana izao fanadiovana izao fa tanterahina isaky ny Fokontany rehetra manerana an’Antananarivo.

Nosafidiana manokana Ankorondrano Tsaramasay tamin’ity indray mitoraka ity ho famporisihana sy fanentanana ny olona mba ahay hanaja fahadiovana. Tonga teny antoerana ihany koa Papa Tsilavina Rakotoarisoa fantatry ny maro amin’ny fanaovana aza soa izay isan’ny mpikambana ao anatin’ny Lions Club Zone 13.

Vous aimerez aussi