Faramparan’ny herinandro izay mbola hankalazana ny fetin’ny mpifankatia. Cabarets, roa sosona, hatao anio Zoma 16 febroary, izay iarahana amin’i Solo Andrianasolo, anatin’ilay lohahevitra hoe : « Mahery ny fitia ». Hitohy ny Sabotsy 17 febroary, hafanain’ny tarika Tempo Gaigy. Samy hanomboka amin’ny fito ora hariva avokoa izy ireo. Ireo no hitsena ireo mpifankatia sy mpankafy ny mozika tsy mety lefin’ny taona maro mifandimby etsy amin’ny « Madagascar Espace » By-pass Ambohimangakely.
Nofinidy manokana i Solo Andrianasolo « Solo hasambarana » noho izy manana sanganasa mitantara fitiavana eo amin’ny olon-droa amin’ny endrika kanto sy ny talenta ananany eo amin’ny fietndrena gitara ary ilay feomanga ananany, hoy ny mpikarakara. Tsy ho diso anjara, araka izany, ireo Olombelona liankanto efa somary nahazo taona.
Rahampitso Sabotsy 17 febroary, hanomboka amin’ny fito ora hariva, no hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia, ao amin’ny « Madagascar espace » By-pass Ambohimangakely ihany koa ny tarika Tempo gaigy. Ireto farany izay nampanantena fa hivazo indray ireo hiran’izy ireo efa an-taonany maro no namoronana azy nefa mbola tsy lefy laza mandraka ankehitriny ary ankafizin’ny tanora sy ireo efa zokinjokiny ihany koa. « Tempo gaigy » Nostalgie rahateo no anarana nasalotra ity « cabaret » iarahana amin’izy ireo ity.
Ankoatry ny fihirana an-tsehatra iarahana amin’i Solo Andrianasolo, ny zoma 16 febroary sy ny tarika Tempo gaigy, rahampitso sabotsy 17 febroary. Samy hanafana ny fotoana eny an-tsefatsefany eny ihany koa ny mpikosoka kapila « Dj » sy ireo manan-talenta amin’ny « comedie musicale ». Hisy ny sakafo sy tsakitsaky isan-karazany azo vidiana eny an-toerana miaraka amin’ny zavapisotro. Zava-baovao ! Tsy hisy ny fivarotana tapakila fa vidiana amin’ny M-vola amin’ny laharana 034 07 717 11 sy ny 034 66 495 45 ny saram-pidirana.
![](https://www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png)