Amin’ny alalan’ny fanoloran’ny orinasa STAR ireo vokatra vaovaony no hanakaikezany hatrany ireo mpanjifany. Fanolorana vokatra vaovao izay sady tsara kalitao no amin’ny vidiny mirary. Amin’izao vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny krismasy sy ny fetin’ny farany taona izao, ny orinasa STAR dia manasa ny mpanjifa hiara-hankalaza izany ao anatin’ny hamamiana. Vokatra vaovao atolotry ny orinasa ny mpanjifa araka izany ny “VALMONT” sy ny “CAPRICE NOËL” ary ny “THB NOËL”.
Ny “VALMONT” dia divay avy any any Espagne izay mifandanja tsara ny kalitao sy ny vidiny. Divay mena, misy alikaola 11,5 %, arotsaka anaty tavoahangy ao amin’ny ozinina STAR Ambatolampy amin’ny abehany 50 cl. Nanomboka ny volana oktobra lasa teo dia hita eny amin’ireo toeram-pietsenana lehibe sy toeram-pisakafoana eto Antananarivo ity vokatra ity, mialoha ny niparitahan’izany tany amin’ny faritra hafa. Azo jifaina amin’ny vidiny mirary Ar 9.000 ny “VALMONT”.
Ny “CAPRICE NOËL” dia manome hamamiana ny fety. Vokatra reharehan’ny Malagasy ny “CAPRICE”. Amin’izao fety izao dia horavahan’ny lokon’ny fetin’ny krismasy izy. Ireo endrika “CAPRICE” rehetra dia ahitantsika tavoahangy misy Dadabe Noely miakanjo maitso avokoa. Loko izay nahafantarana azy tany am-piandohana. Ny loko maitso ihany koa dia loko hita amin’ny sainam-pirenena malagasy izay mampiseho fa vokatra vita malagasy 100% ny “CAPRICE”. Ity vokatra mandalo “CAPRICE NOËL” ity dia azo jifaina manerana an’i Madagasikara nanomboka ny tapaky ny volana novambra lasa teo. Ny vidiny tsy miova fa mitovy amin’ny “CAPRICE” mahazatra ihany. Ny “THB NOËL” indray dia hahafahana manatanteraka ny “fety ny fiarahantsika”.
Novokarina manokana mba hankalazana ny krismasy araka izany ny “THB NOEL”. Manatevin-daharana ny marika “THB” ny vokatra “THB NOËL” izay mandalo ihany. Hita manerana ny nosy nanomboka ny tapaky ny volana novambra lasa teo ity labiera vaovao manana tsiro miavaka ity. 6,5% ny tahan’ny alikaola ao aminy, amin’ny tavoahangy 33cl. Azo jifaina amin’ny vidiny Ar 2 500 toy ny THB mahazatra. Tsy manolo fa manampy ny THB mahazatra araka izany ny “THB NOËL”. Vokatra vaovao tsara kalitao sy amin’ny vidiny mirary mba ho eo anilan’ny Malagasy hanala hetaheta sy hizara fotoana tsy manam-paharoa araka izany no tanjon’ny orinasa STAR, araka ny fanazavana voaray.


