MPANAKANTO « MOMO MODAKELY » Mivoy ny « Kilalaky nohavaozina »

Mômô Modakely, Zanaka Pastora ny tovolahy.

Randrianantenaina Modakely, « Mômô Modakely ». Iray amin’ireo mpanakanto tinaizan’i Bivy sy Alain Boutr. Izy mirahalahy ireto izay samy efa lasa nodimandry ary azo ambara fa andrarezina teo amin’ny fikikarakirana ny mozika. Nanovo fahalalana manodidina ny Kilalaky teo ambany saokan’i Tsiliva ihany koa ny tovolahy. Fianakaviana mpanao mozika rahateo no nipoirany.

Miezaka mikaroka ny fomba entina manatsara hatrany ny Kilalaky ity mpanakanto vao erotrerony ity. Ketrika vao vitany tsy ela ny fampiarahana ny kilalaky amin’ny tsapiky sy ny Jihe. Ankoatry ny talenta ananan’i Mômô Modakely eo amin’ny famoronana hira dia mitendry zavamaneno toy ny vatamaroafitsoka, aponga maroanaka ary gitara ny tovolahy. Nilona ela tao anatin’ny fanafanana lanonana ihany koa inty mpanakanto Zanaky Menabe inty. Ireo fiainana andavanandro eny anivom-piaraha-monina no entiko mamokatra ireo tononkirako, hoy izy ary ezahana mandrakariva mba hirakitra hafatra mafonja sy sahaza ny isam-batan’olona izy ireny.

Mampiavaka an’i Mômô Modakely ihany koa ny fisian’ny fanehoana anatin’ny tantara fohy an-tsehatra ny tononkira sy ny talenta ananany eo amin’ny lafiny dihy. Ampahany amin’ireo vazo efa nahafantarana azy ny « Ex bonbon » sy ny « Mihetsiketsika ». Andalana ho amin’ny fanaparitahana sy fampahafantarana ireo sanganasany sy ny fikarohana vitany manodidina ny kilalaky ankehitriny i Mômô Modakely. Vonona hiara-hiasa malalaka amin’ireo tsara sitra-po rehetra ho amin’ny fanandratana avo ny kilalaky ny tovolahy.

Vous aimerez aussi