MPANAKANTO RIRI JEAN : Mihira ny fiainana, manambara ny zavamisy

Tany amin’ny taona 2016 no nifoha ny talenta tao anatin’i Riri Jean eo amin’ny lafiny famoronana hira sy ny fandihizana. Mampiavaka ny tovolahy ny tononkira mivantana amin’ny fampitana ny hafatra narafitra avy amin’ny fampiasana ireo voambolan’ny fiarahamonina faheno eny ambany tanàna. Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gadonkira mihetsika i Riri Jean, toy ny soukouss, afro, watsa, dombolo, sns. Mahafehy ny filalaovana bankira milamina ihany koa anefa ny tarika.

Vazo iray naharoboka avy hatrany ny maro ho amin’ny fankafizana ny tarika Riri Jean ny « Saka mimi ». Ambaran’ny tononkira mazava fa maro amin’ireo « mpanao baolina tavoahangy » no miantehitra amin’ny namana rehefa « mirevy ». tsy mety loatra ny tahaka izany, hoy i Riri Jean fa manjary miteraka fanarararaotana mety hiafara amin’ny fanambakana amin’ny endriny ankolaka na mivantana. Nomarihan’i Riri Jean fa anisan’ireo mpanakanto mpitondra tenin’ireo mponina eny ambany tanàna ny tenany ary mbola vonona hatrany hanambara ny tena zavamisy marina iainan’ireo monina eny. Manodidina ny dimy ambiny folo miandahy miambavy ankehitriny ireo Olombelona manan-talenta mandrafitra ny tarika Riri Jean. Mampiavaka an’i Riri Jean ny fampiarahana ny fihirana sy ny fandihizana rehefa eny an-tsehatra ny tovolahy. Nampanantena ny ho tazana eny an-tsehatra ary hamoaka vazo vaovao hatrany izy ireo. Efa manangasanga any ankehitriny ilay tsanganasa vaovao «Accident » izay nitondra ny lohateny hoe : « Sambos mafana » tany ampahariana. Tsy mampanonofy am-pitoerana tahaka ny mpanakanto hafa i Riri Jean fa milaza ny tena zavamisy anivom-piarahamonina amin’ny endrika kanto ary mampita hafatra mafonja sahaza ny ambanilanitra tsy ankanavaka. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa hanabeazam-boho ny mozika malagasy ny tovolahy.

Vous aimerez aussi