MPITATITRA AMIN’NY ZOTRA NASIONALY Mitaky ilay anjara fanampiana azy ireo

Nanome 48 ora ny fanjakana ireo mpisehatra amin’ny asa fitaterana amin’ny zotra nasionaly, etsy amin’ny Gare Maki Andohatapenaka mba hanomezana azy ireo ilay fanampiana nambara efa ho roa volana lasa izay.

Very anjavony

Efa nisy ny fandraisana anarana sy ny mombamomba ireto mpisehatra amin’ny asa fitaterana ao anatin’ny zotra nasionaly toy ny mpamily, ny mpiandraikitra ireo trano heva ary ireo mpibata entana, ao amin’ny Gare Maki Andohatapenaka saingy tsy re be tsy re kely ny tohin’izy ireny mandraka ankehitriny.

Mahatsiaro tena ho voahilikilika sy hadino tanteraka ihany koa ireo mpandraharaha amin’ny zotra nasionaly etsy amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara Maki Andohatapenaka. Maro tamin’ireo misehatra amin’ny tontolon’ny asa fitaterana toy ny mpamily fiarakaretsaka, ny taksibe miasa eto an-drenivohitra no efa nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe. Ireo misehatra amin’ny fitaerana amin’ny zotra nasionaly kosa mandraka ankehitriny tsy mbola nahazo ny fanampiana ho entina miatrika ny fihibohana. Mandringa àry ve izany ny lafiny fitsinjarana ireo fanampiana sa nisy indray ny tari-drano ankilahila manoloana ity tsy fahazoan’ireo mpandraharaha amin’ny zotra nasionaly ny anjara masoandrony, amin’ny fanampiana efa nampanantenaina azy ireo, efa tany amin’ny roa volana lasa izay ?

Vous aimerez aussi