MPITONDRA FANJAKANA : Mody marenina sa minia mikipy manoloana ny fahantram-bahoaka ?

Fitandroana ny fandriampahalemana, famoronana asa, fampianarana sy fiahiana ny lafiny sosialin’ny Mponina toy ny fampianarana sy ny fahasalamam-bahoaka, fametrahana paikady ho fampiroboroboana ny seham-pamokarana sy fiarovana ireo teratany misehatra amin’izany, sns… Santionany ihany amin’ireo tamberin’andraikitra tsy maintsy efain’ny Mpitondra fanjakana amin’ireo Vahoaka entiny ireo. Indrisy anefa fa raha ny iainan’ny Malagasy maroanisa ankehitriny dia tsy mahavita manome ireo ny Mpitondra fanjakana. Ireo teratany Vahiny mandalo eto Madagasikara dia lohabolana mihitsy manao hoe : “Mahagaga ny mbola hahafahanareo Malagasy miaina sy mivelona anatin’izao fahantrana lalina dia lalina izay miseho amin’ny endriny marolafy” izao. Toa te hiteny izy ireny hoe : Angaha tsy mahita izao olana goavana ateraky ny fahantrana manara-penitra iainan’ny Malagasy izao ireto “Mpitondra fanjakana” ireto. Mody marenina ve sa minia mikipy manoloana ireo adidy aman’andraikitra tsy vitany ho an’ireo Vahoaka Andriamanjaka izay iadidiany ireo “Mpitondra fanjakana” ankehitriny ? Sao tsy fantany fa adidy sy andraikitr’izy ireo ny miahy sy ny manompo ny Vahoaka Andriamanjaka.

Vous aimerez aussi