OMDA : Hanatanteraka fihaonam-be, miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta

Ny Alarobia 11 febroary ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy amin’ny Auditorium “HAVORIA” Anosy no hanatanteraka ny fivoriamben’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny”Office Malagasy du Droit d’Auteur” na “OMDA”. Handrafitra ny fandaharam-potoana amin’izany ny fanomezana sehatra malalaka ireo mpikambana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana manitikitika ireo mpikambana, ny fanaovan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Omda tatitra ara-bola sy ara-moraly. Hisy ihany koa ny fanazavana hoentin’ireo Mpiara-miasa tsara sitrapo hiara-misalahy ho amin’ny fanatanterahana ny sehatrasan’ny Omda. Hotanterahana amin’ity fihaonambe ity ihany koa ny fifidianana ireo hisolo-tena ireo mpamorona eo anivon’ny Filankevim-pitantanan’ny Omda. Hofaranana amin’ny fiaraha-mikorana nohon’ny nahatrarana ny taona vaovao ny fihaonam-be.

Nomarihan’ny filoha Tale jeneralin’ny Omda amperinasa ankehitriny Haja Ranjarivo fa ny “mitaky ny karaman’ireo Mpamorona” izay Zo fenon’izy ireo no anjara asa fototry ny Omda. Ity farany izay efa miroso amin’ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta ho amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ireo sanganasan’ny mpamorona eny anivon’ny sehatra rehetra. Ny sehatry ny fitantanana rehetra eo anivon’ny Omda dia efa ampiasana ny teknolojia avo lenta ihany koa mba hisian’ny mangarahara, hoy, hatrany i Haja Ranjarivo, Tale jenetalin’ny Omda. Manodidina ny valopolo sy roanjato sy valo arivo ankehitriny ireo mpikambana eo anivon’ny Omda miely patrana manerana ny Nosy sy hatrany Dilambato. Ireo “Mpamorona” manana sanganasa miisa roa efa niasa no afaka miditra eo anivon’ny Omda. Tsy natao hiaro ny sanganasan’ireo Mpamorona ny Omda fa ny mitaky ny Zon’izy ireo azo avy amin’ny fampiasana ireo sanganasa nojarian’izy ireo ny antom-pisiany, hoy ny Tale jeneralin’ny Omda Haja Ranjarivo.

Vous aimerez aussi