Na inona na inona asan’ny Governemanta rehefa tsy mazava ny lalana aleha dia ho sahirana ilay Governemanta. Tsilovy ny lalana aleha mba hazava amin’ny rehetra ny hizorana manomboka izao. Efa mipetraka ny fanovana notakiana fa ilay lalana izorana ankehitriny mihitsy no mankaiza? Izay no andrasan’ny olom-pirenena indrindra fa ny tanora.
Catégorie : Samihafa
"STAR TOUR 2026" : Any Antsirabe ny 4 ka hatramin'ny 6 aprily
Hanomboka ny 4 aprily ka hatramin’ny 6 aprily 2026, eo anoloan’ny Gara Antsirabe, ny “Star Tour 2026”, amin’ity taona ity. Hampiavaka izany ny fampisehoan’ireo mpanakanto miisa 6 izay hanafana ny lanonana. Anisan’izany i Lion Hill, LJo, Jack Dad, Samoela sy i Arione Joy ary ny tarika Zay.
"SALON DU CHOCOLAT ET DE LA GOURMANDISE 2026" : Hanomezan-danja ny vokatra eto Madagasikara
Ny Sabotsy 28 martsa 2026, no hifanome fotoana amin’ny “Wednesday Morning Group” na ny WMG, en Anosy, indray ireo mpankafy ” chocolat” sy ny manodidina izany. Ireo sakafo vokarina amin’ny “chocolat” araka izany no hampirantian’ireo mpandray anjara miisa 45 mandritra io fotoana io.
"TS'ART KOLO" : Mampiasa miaraka ny zavamaniry sy ny otra ho fanasitranana
Ny fampiasana miaraka ireo zavamaniry misy eto Madagasikara amin’ny otra ho fanasitranana aretina maro. Io no mampiavaka ny tolotra fanasitranana omen’ny”Ts’art kolo”. Ity farany izay manana ny foibe-toerany, etsy, amin’ny Esplanade Analakely “box” laharana faha folo, ampitan’ny trano fivarotana “Goldenrama”.
SENDIKAN'NY MPAMBOLY VARY ETO MADAGASIKARA : Velon-taraina noho ny fidinan'ny vidim-bary
Velon- taraina ankehitriny ny Sendikan’ny mpamboly vary eto Madagasikara, fa midina ambany dia ambany ny vidin’ny vary ka mahafaty antoka tanteraka ireo tantsaha mpamokatra izany. Anisany mampidina ambany dia ambany ny vidim-bary vokarina eto an-toerana ny vary nohafarana avy ivelany.
FIKAMBANAN'NY ORINASA MALAGASY NA NY FOM : Hanolo-tanana ny orinasa malagasy
Antom-pijoroan’ny Fikambanan’ny orinasa Malagasy na ny FOM, ny hanolo-tanana ireo orinasa malagasy madinika sy salantsalany mba ho amin’ny tombontsoan’izy ireo. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miatrika ny lafiny ara-toekarena indrindra fa ny hipakan’izany eo amin’ny lafiny fampandrosoana.
TAMBABEN'NY MPITOLONA : "Mitaky fanovana rafitra sy olona ny fanavaozana"
“Fanavaozana sy ny fanarenana ireo tsy mety rehetra izay mitaky fanovana olona sy rafitra ary fitantanana mangarahara” no nasongadin’ny Tambaben’ny Mpitolona, tamin’ny fanambaran’izy ireo, ny alarobia 17 martsa 2026, teny Andrefanambohijanahary.
ALAOTRA MANGORO IRAY FEO : Miantso ny filoha mba hitsidika azy ireo
Vontoatin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notontosain’ireo fikambanana “Alaotra Mangoro Iray Feo” izay nahitana ny fikambanana KMT, FIAMIS, GEN Z TANTSAHA sns… avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny fiantsoana ny filoha, kolonely Randrianirina Michael, mba hitsidika ny faritra Alaotra Mangoro.
VOVONANA MAFI-M : Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 18 martsa 2026, teny Antaninarenina, ny fijoroan’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M. Tanjon’ny Vovonana ny hanamafy orina ny fitantanana madio sy mangarahara mba hampisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.
ZAVA-PISOTRO VAOVAON’NY STAR : Efa misy amin’ny fonosana "canette"
Namoaka zava-pisotro vaovao amin’ny fonosana “canette” ny Star. Tanjona ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo ihany koa ny hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra ireo dia eo ny ezaka fanatsarana sy ny fanavaozana entin’ny orinasa dia ny famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa izay mitady zava-pisotro mora entina sy azo sotroina na aiza na aiza.
