Tsy manaiky ny fampiasan-kery natao tamin’ny vahoaka tanam-polo maneho hevitra ny vondron’ny mpanakanto, araka ny fanambarana navoakan’izy ireo androany.
Catégorie : Samihafa
FIVONDRONAMBEN’NY MPIASA MALAGASY “Nandika lalàna ny governemanta, melohina ny fampiasan-kery”
Nanao fanambarana miaraka omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fivondronamben’ny mpiasa malagasy na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana fa manoloana ny fampiasan-kery omban-kerisetra izay atao amin’ny vahoaka malagasy maneho hevitra dia melohin’izy ireo amin’ny heriny manontolo ny fampiasana ny mpitandro filaminana ho lasa herim-pamoretana.
ANTOKO HASIN’NY OLOMBELONA SY EKOLOJIA Fanambarana manontany ny hery velona eto Madagasikara
Maro ny miraviravy tanana manoloana ny manjoa ny mpiray monina. Miafina ao ambadikin’ny filazana sy ny fiheverana diso fa tsy manao « pôlitika » ireo sahy mitazana fotsiny ny manjoa ny mpiray monina.
FIFIDIANA Manohana an-dRajaonarimampianina ny antoko UDR
Manohana an-dRajaonarimampianina ny antoko UDR.
GROUPE « HERITSAINA ZJ » Niteraka fahasoavana ny fahenoana ny sanganasany
Ny taona 2000 no nanomboka nanajary hira i Rakotoarisoa Heritsaina Andry, mpitarika ny Groupe « Heritsaina Zanak’i Jesosy ». Valibabena « Tamberim-bidy » ho an’Andriamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy maro narotsany sy ny mbola hatolony, hoy i Heritsaina no naharesy lahatra ahy tanteraka hampiasa manontolo ny talenta izay ananako eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira ary fitendrena zavamaneno ho amin’ny asa fitoriana sy fiderana
« MOLLOS PARK » Toeram-pikotranana sy fialamboly mahasondriana
Tsy lavitra, etsy Ampandrana, ampitan’ny « Cafe gasy », no ahitana ny « Mollos park ». Toerana tony, madio rivotra nefa miorina afovoan’Antananarivo. Samy hita eny an-toerana avokoa ireo fitaovam-pikotranana sy fitaizam-batana ary fialana voly toy ny Baby foot, billard, boule, zumba fitness, « i chavire – vole » sns. Ny « Mollos park » irery ihany koa no manana ny fotodrafitrasa takiana amin’ny fanaovana ny « Ninja warrior » eto Iarivo.
LIONS CLUB ZONE 13 Nanadio teny Ankorondrano Andranomahery
Nanao asa tanamaro nanadio ny tanàna teny Ankorondrano Andranomahery ny Lions Club Zone 13 izay ahitana mponina miisa 13 337 sy ny Fokontany Tsaramasay misy mponina 2 876.
JENERALY ALFRED RAKOTOMARONIRINA Vonona hampandroso ny Distrikan’i Kandreho
Olona manana vina ary vonona hitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana aminy ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred. Raha ny voalazany dia olana lehibe iainan’ny mponina any an-toerana ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ka vonona izy ary efa ao anaty “Projet” ny fampidirana rano fisotro madio any amin’ny Distrikan’i Kandreho raha ny nambarany hatrany.
OLIVIER RAKOTOVAZAHA Niamboho ilay oloben’ny Firenena
Filoha mpitarika ary nitana ny hery sy ny fanahin’ny antoko MFM hatramin’ny farany ilay zokibe. Mipetraka eo amin’ny tantaran’ny firenena ny anarany, anarana tsy mitsanga-menatra, manana ny lanjany, manana ny maha izy azy.
TARIKA « BAOBAB » 05-TAONA Homarihana amin’ny seho maro
Tarika « Baobab », ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy avokoa eo amin’ny taranja mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny hakanton’ny sanganasan’ireo mpanakanto Malagasy sy Vahinin’ ny taona 60-70-80 sns. Mandia ny faha-05 taona niantseharany ankehitriny ny tarika.