Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Olon-kendry itoeran’ny fahalalana ny Printsy Andry Rodrigue rehefa avy nandalina sy namakafaka lalina ny lasa ary niomana ho amin’ny fibanjinana ny hoavy.
Tss nisalasala izy nanambara fa anisan’ny antony lehibe miteraka izao fahantrana lalina sy mangitsokitsoka mahazo antsika Malagasy izao ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy ny Vahoaka ihany no ahitana io tranga tsy fanajana ny lalàna io, hoy ny Printsy Andry Rodrigue fa eo indrindra koa ireo « Mpitondra fanjakana ». Manjaka, araka izany, ny gaboraraka ka samy manao izay saim-pantany sy maha diavolana ny saina amam-panahiny ny rehetra na hita izao aza fa mety hiteraka fahavoazana lalina ho an’ny hafa izany. Vokany tsy misy firindrana ny asa fampandrosoana kasaina hatao noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana koa tsy mahagaga raha milomno lava anatin’ny fahantrana Ramalagasy. Tsy misy intsony ny fifanampiana, mila ho tsy tazana intsony ihany koa ny fihavanana fa manjaka loatra ny fitiavan-tena sy voninahitra ary fahefana. Tanteraka tokoa ilay hoe : « Samy mandeha, samy mitady… » nefa mety samy handandy ihany koa ny hiafarantsika mianakavy raha mitohy ny tsy fanarahan-dalàna tahaka ny misy ankehitriny.
Nomarihan’ny Printsy Andry Rodrigue fa anisan’ny nampirindra sy nampilamina ny fiarahamonina malagasy tamin’ny andron’ny faha Mpanjaka ny fanajana ny lalàna manan-kery (Heloka 12) tamin’ny andro nanjakan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina. Tsy misy afa maina izay rehetra nandika ny didy aman-dalàna navoakan’ny Mpanjaka tamin’izany, hoy hatrany ny Printsy Andry Rodrigue koa tsy nahagaga raha nirindra sy nilamina tamin’ny ankapobeny ny fiainam-piaraha-monina ary goavana ireo asa fampandrosoana vita. Nandry fahalemana ihany koa ny fanjakana.
Nomarihany fa mila mifaka amin’ny soatoavina, fomban-drazana isam-paritra ny famolavolana ireo lalàna. Maro amin’ireo didy aman-dalàna eto Madagasikara ampaisaina ankehitriny tokoa mantsy no efa mila fanavaozana noho izy ireny efa nilaozan’ny toetrandro sy tsy mifanaraka akory amin’ny kolontsaina malagasy sy ny fomban-drazana malagasy. Nitondrany fanamarihana manokana ny momba ny lalam-panorenana izay voahitsakitsak’ireo mpanao politika matetika ka miteraka krizy miverimberina eto amin’ny firenena izany. Ny lalam-panorenana malagasy izay tokony hifanaraka tanteraka amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny fomban-drazana malagasy mba tsy ho sahirana ny rehetra ho amin’ny fanajana sy fanomezan-kasina izany lalàna fototra izany. Raha voahaja ny lalam-panorenana ho lavitry ny krizy politika miverimberina tsy mitera-bokatsoa i Gasikara nosy malalantsika ary azo antoka ny fampandrosoana dia hiadana sy ho finaritra tokoa ny Ambanilanitra e !
