“Nofy sy fampandriana adrisa ny hisian’ny fandrosoan’i Madagasikara raha mbola ny tsy fanarahan-dalana sy ny fanaovana kolikoly no toy ny rivotra iainana eto amintsika” hoy Raderanirina Sendrison Daniela. Ity farany izay filoha mpanorina ny Antoko Fy-M na ny “Fandrosoa Faritsy Iaby ho an’i Madagasikara”. Nomarihany hatrany fa tsy ny Vahoaka ihany no tokony hanara-dalana sy hiala amin’ny fanaovana kolikoly fa eo indrindra koa ireo Mpitondra. Izy ireo rahateo no tokony ho fakan-tahaka tsara. Mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana izay tsy maintsy miainga eny ifotony raha tiana ny hahazoana vokatra tsara ho an’ny firenena. Hery politika malagasy mijoro ho amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahafaham-pokonolona ny Antoko Fy-M.
Manoloana ny fizotran’ny fiainam-pirenena ankehitriny, nomarihan’ny filoha mpanorina ny Antoko Fy-M, Raderanirina Sendrison Daniela fa tsy miombon-kevitra amin’ireo mivoy ny handravana ny andrim-panjakana ny Antoko. Hiteraka olana vaovao ho saro-bahana ny fanatanterahana izany. Miaro ny fitohizan’ny fanavaozana efa natomboka ho amin’ny Soa iombonana ny Antoko Fy-M. Ny fikaonan-doham-pirenena dia mikendry ny fametrahana rafitra hahafahana mampandroso an’i Madagasikara fa tsy fanaovana kajikajy politika ho fiarovana ny tombontsoa manokana ho an’ny Mpanao politika. Nanterin’ny Antoko Fy-M hatrany fa ” Ny fikonolona no anankinana ny fampandrosoana ny Firenena” Ity andalan-teny ity izay efa voarakitra anatin’ny Lalampanorenana. Ny fandrafetana ireo lalana no maika hahafahana mampihatra izany.
Raha omena sehatra sy fahafahana, araka izany, ireo Fokonolona eny ifotony izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana ary samy manaja ireo lalana velona ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka dia ho toa tokoa ilay “Fanovana” mikendry ny hisian’ny Soa iombonana tokoa isika mianakavy. Samy manana andraikitra ho amin’ny fanatanterahana izany ny isam-baravarana. Tsy hisy fampandrosoana anaty gaboraraka sy tsy fanarahan-dalana ary fanaovana kolikoly tokoa mantsy.


