Rahampitso no hifanatrika amin’ireo Solombavambahoaka eny amin’ny CCI Ivato ny Praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Hifampidinihina mandritra izany ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Anisan’izany ny fanatanterahina ny vinan’ny Filoham-pirenena, ny fiatrehana sy ny fifehezana ny valanaretina corona virus, ny tsi-fandriampahalemana, ny momba ireo Nosy manodidina, ny fiatrehana ny ara-toekarena, ny mikasika ny Rova Masoandro haorina eny Manjakamiadana, ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana (na OMS) mikasika ny tambavy covid-organics, ny fampiasana ilay vola fanampiana 440 tapitrisa dolara avy amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,…
Hanao tatitra ny alakamisy izao
Koa ny alakamisy ho avy izao no hanao tatitra manoloana ireo Solombavambahoaka ireo ny Praiminisitra, miaraka amin’ny Minisitra 4, dia ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena.
Ny talata 2 jona kosa dia Minisitra 5 no hanao ny tatitra dia ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatànana, ny Minisitry Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono.
Ny alarobia 3 jona no hihaona amin’ireo depiote ireo ny Ministra 3 hafa dia ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro, ny Minisitry ny Fanajariana ny tany ary ny Asa vaventy, ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao.
Ankoatra ireo dia hisy ny adihevitra momba ny tetibolam-panjakana izay nasiam-panitsiana, ny alarobia 03 jona io ihany.
Ny 04 jona kosa dia Minisitra 5 indray no hifanatrika amin’ireo Solombavambahoaka, dia ny Minisitry ny Mponina sy Fiahiana ara-tsosialy, ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy Fampianarana teknika, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
Ny 10 jona kosa no hotanterahina ny fifidianana izay ho Filoha lefitry ny Vaomiera mahaleotena misahana ny Fifidianana (na ny CENI).
Eo ihany koa ny fananganana ilay vaomiera manokana hisahana ireo olona ambony voahenjika eo anoloan’ny Fitsarana Avo na ny Haute Cour de Justice.
Ny alakamisy 11 jona no handalo eny amin’ny Antenimierampirenena eny, eo amin’ ny asam-baomiera, ny tolo-dalàna amin’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy.
Ny amin’ity farany no mahalasa ny eritreritra raha hisy ny fankatoavana aza. Toa fandrisihana ny taranaka hivarilavo tanteraka manko izany. Ny efa misy aza tsy hita izay hanaovana azy mainka fa hisy koa ny mety hanolotra tolo-dalàna momba ny zava-mahadomelina hafa ?!
