SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA : Maro ireo tanora malagasy no liana

Ny voka-pikarohan’ny “Office National de l’Emploi et de la Formation” na ny ONEF izay manana ny foiben-toerany eny Ampefiloha no nahafantarana fa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no tena mahasarika ny tanora ankehitriny. Manaporofo izany ny fanadihadiana notontosain’ity Sampandraharaha ity tamin’ireo Faritra miisa 3 eto Madagasikara. Ireo tanora eto Analamanga sy Atsinanana ary Vakinankaratra teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 35 taona nanaovana fanadihadiana araka izany dia samy liana amin’ireo sehatrasa fihariana roa ireo avokoa. Misy amin’ireo tanora malagasy hafa ihany anefa no te hanangana orinasa manokana ho an’ny tenany saingy ny noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana sy ny fitaovana dia tsy afa-manoatra izy ireo. Naharitra iray volana no nanangonan’ny ONEF ny vaovao mahakasika ity sehatrasa ity. Nandritry ny volana maro no nanatontosan’izy ireo ny fanadihadiana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ONEF, Rasolonjanahary Oelasolofo Ando Ny Aina.

Vous aimerez aussi