Ny Antoko mpihira « Miantsa Magis » mijoro eo anivon’ny Eglizy Katolika Romanina, Masindahy Joseph Bezaha Toliary, ny tarika Haga amin’ny endriny feno, i Mamina Kanto gasy ary i Ravaka. Ireo no hifandrimbona hanolotra ny rindran-kira « Mizara hafaliana » Hotanterahana ny tolakandron’ny Sabotsy 23 Novambra ho avy izao, etsy amin’ny CCESCA Antanimena.
Ny Fikambanana « Mahats’Art Madagascar » sy ny ASKA « Asa Sosialy sy Koltoraly ho Antsika » Farafangana. Izy ireo izay samy misehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanomezana fampianarana azy ireo hiala amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary ny fanolorana fitaizam-panahy ombana sakafom-batana mba ho afaka hihoitra amin’ny fiainana no miketrika ny «Mizara hafaliana» Antom-pisian’ny « Mizara hafaliana », araka izany, ny hanatevenana ny kitapom-bolan’ireto fikambanana ireto hahafahan’izy ireo manatsara ny fotodrafitrasa handraisana ny Zanaky ny sahirana liam-pianarana sy fanabeazana ara-panahy.
Mpanakanto samy miezaka ny hanandratra sy saro-piaro amin’ny « maha malagasy » haseho amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy ireto hiray sehatra anatin’ny « Mizara hafaliana » ity. Ho an’ny Antoko mpihira « Miantsa magis » izay tarihan’ny Mompera Herimalala Jaonah, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Mompera Jaonah Fiadanana nentin’iny » Izy izay manan-talenta amin’ny famoronana tononkira sy feony, fa tsy ny sofina ihany no handre fahafinaretana fa hahazo ny anjarany ihany koa ny maso sy ny fanahy amin’ny alalan’ny soradihy mirindra sy ny tononkira izay samy mampita hafatra hatolotr’izy ireo. Hibahana kokoa amin’ny seho atolotry ny Antoko mpihira « Miantsa magis » « Magis » : (voambolana Latina midika hoe : Mikaroka ny tsaratsara kokoa hatrany mba ho voninahitr’Andriamanitra lehibe indrindra) ny fivoizana ireo bankira nentim-paharazana avy any atsimo toy ny « Tsapiky », « Mangaliba », « Beko », sns. Ny faritra atsimon’ny Nosy izay azo lazaina fa manan-karena eo amin’ny lafiny hira sy ny dihy « Tsinjaka » noho ny fiainan’ny fiaraha-monina any an-toerana tsy afa-misaraka amin’ny mozika na ankasoavana izany na ankaratsiana. Manana feo voajanahary kanto sy feno angola ihany koa ireo mpanakanto avy any atsimo. Tsy mihanona amin’ny fivoizana ny gadon-kira nentim-paharazana ho fiderana an’Andriamanitra sy ho fankaherezana ireo mpiara-belona ny Antoko mpihira « Miantsa magis » fa mikaroka ihany koa ny fomba hampiarahana bankira samihafa amin’ny alalan’ny famolahana ny «Fusion » mba hahazoana mozika vaovao mahafeno ny famaritana ny atao hoe : « Kanto ». Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa i Mompera Jaonah no namorona ny hira fanentanana ny Olom-pirenena handeha hifidy izay novokarin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana « CENI ».
Azo ambara fa ho fararanon-gadona hahafahana manovo aim-panahy sy vatsin-dalam-piainana mahasoa sahaza ny rehetra ihany koa ny rindran-kira « Mizara hafaliana » hotanterahana, ny tolakandron’ny Sabotsy 23 novambra ho avy izao, etsy amin’ny CCESCA Antanimena. Iarahana amin’ny Antoko mpihira « Miantsa magis » Bezaha Toliary, tarika Haga, Mamina Kanto gasy ary i Ravaka. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra no hiara-dalana !