Tarika « Baobab », ivondronan’ireo mpitendry sy mpihira efa samy manana ny maha izy azy avokoa eo amin’ny taranja mozika. Mampiavaka azy ireo ny fanandratana hatrany ny hakanton’ny sanganasan’ireo mpanakanto Malagasy sy Vahinin’ ny taona 60-70-80 sns. Mandia ny faha-05 taona niantseharany ankehitriny ny tarika. Maro ireo sedra nolalovana, hoy i Haingo mpiantsoroka ny lafiny feo sady vovonana iadian’ny lohan’ny tarika fa tsy natao ho sakana akory ireny. Nitafy hery hatrany ireo mpikambana, hoy izy noho ny fahatsapana hatrany fa mbola maro no mankafy sy manjifa ireo sanganasa tsy mety lefin’ny vanim-potoana maro be nifandimby izay nojarian’ireo mpanakanto andrarezina tamin’izany noho izy ireny nahafeno tanteraka ny famaritana ny atao hoe : « Kanto ». Tsy ny fivoizana ireo mozika efa nahazo taona tsy mety vasoky ny fotoana maro mifandimby ihany no fahaiza-manaon’ny tarika « Baobab » eo amin’ny lafiny hira sy mozika fa havanana amin’ny fiangaliana ireo vazo ankehitriny ihany koa ireo mpikambana ary manan-talenta amin’ny fanafanana lanonana amin’ny endriny marolafy. Ezahan’izy ireo hatrany ny mitazona ny fomba nihirana sy nandrindran’ireo mpanakanto Zokiny ireo sanganasany mba tsy hampiova loatra ny fientanam-po tsapa rehefa mihaino ireo hira tsy lefin’ny vanim-potoana mifandimby. Mitahiry « Fanahy » sarobidy tokoa mantsy izy ireny.
Ny 24 septambra ho avy izao, etsy amin’ny, « Akany Nambinintsoa » Talatamaty no ivon’ny fankalazana ary hanao tohivakana ny fanatanterahana ireo seho mitety faritra. Tsy hijanona eto Dago ihany fa hipaka hatrany an-dafin-driaka toy ny any Eropa izany, ny volana Oktobra ho avy izao. Tsangambaton’ny faha- 05 taonan’ny tarika « Baobab » ihany koa ny namoahana ny rakikira « Tarika Baobab chante Troupah » izay noezahana hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny endrika isehoany. Ao amin’ny foibe-toeran’ny « Be mozik » no hahafahana manjifa ity vokatra ity.
