TARIKA "GASPIRA" : Hamerina ny hasin'ny mozika malagasy

Ny taona dimy sy roarivo no efa nahita masoandro ny tarika GASPIRA. Antom-pisiany, hoy, i Solofo lehiben’ny tarika sy miantsoroka ny famoronana ary ny fitendrena zavamaneno ny hamerin-kasina indray ny mozika nentim-paharazana malagasy. Zanaka mpihiragasy avokoa izy valo mirahalahy mandrafitra ny tarika. Ny famadibadihana ireo litera anatin’ny teny hoe : “Mpihiragasy” rahateo no nentina nitrandrahana ilay anaran’ny tarika hoe : “GASPIRA”. Azo haverina ihany koa ilazana fa “Gasy tsy misy fangarony” “Gasy pure” ?

Gaspira“Tsy mihanona hatreo amin’ny filalaovana ny vakodrazana ny tarika fa mikaroka sy mitrandraka ireo gadon-kira hafa mba hahafahana mamaky lay ny tsenan’ny mozika maneran-tany” hoy, i Solofo. Anisan’ny efa vitan’ny tarika ny fampiarahana bankira miisa roa anaty hira iray. Manana faka (vahatra) fototra mafy ijoroany sady afaka mivelatra malalaka. Io no foto-pisainana nentin-dRasolofomanana Alfred Leonard ho antom-pisian’ny tarika”GASPIRA” Raha tsiahivina efa manana rakitsary ombam-peo miisa roa ny tarika. Anisan’ny vazo nanamarika ny fiverenan’ny tarika hiangaly ny kanto an-kira voaravaka dihy an-tsehatra indray ilay tsangasan’i Solofo, nosalorany ny lohateny hoe : “Sambatra” Mivetso ny hzkabton’ny soatoavina malagasy tahaka ny “Fihavanana” sy ny “Firaisankina”. Marihana fa saropiaro amin’ny hasin’ny teny malagasy ry zalahy “GASPIRA”. Fady ho anay ny hiteniteny foana sy ny haneho soradihy miendrika”kolombody” hoy i Solofo. Maro ireo tarika efa niiara-niasa tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Tarika GASPIRA . Tsongaina amin’ireny ny tarika Landy volafotsy, Éric manana, Akon’i Mania, Sivy mahasaky, Bodo, sns. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa zana-dRakotoarivo kavia, ity farany izay anisan’ireo andrarezin’ny Hiragasy teto an-kibon’Imerina i Solofo.

Anisan’ireo hira nahafantarana ny tarika Gaspira ny “Zazafito” ; “Fihavanana” ; “Razokiny be” ; “Aza malahelo”. Ny hampiara-dalana mandrakariva ny mahasoa amin’ny alalan’ny fampitana hafatra mafonja anatin’ireo tononkirany sy ny mahafinaritra amin’ny fanjifan’ny sofina ilay rindram-peo kanto ary ny fahafinaretan’ny maso avy amin’ny fahitana soradihy tsotra, mendrika ary kanto. Ireo mitambatra no singa mandrafitra ny antom-pisian’ny tarika Gaspira. Ny mozika nentim-paharazana malagasy izay efa tsikaritra fa efa maro ireo tanora no mangetaheta higoka ny hakantony sy handray ireo hafatra raiketin’ireo tononkira ho vatsin-dalana hamakivakiana ny fiainana.

Vous aimerez aussi