Vaovao tsara ho an’ireo mpankafy ny vazo evenjelika mikolo fanahy ! Hiverina an-tsehatra amin’izay ny tarika Les Adeline, ahitana an’ireo mpikambana fototra toa an’I Sarobidy, Fifi, Fafah ary I Marius.
Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 2001 no niorina ny tarika. Mampiavaka azy ny fahaizan’ireo mpikambana mifehy ny gadon-kira avy amin’ny lafivalon’ny Nosy tahaka ny “bagasy”, “tsapiky”, “kilalaky”, horija betsileo”, basesa”, sns ary ireo ban-kira vahiny toy ny “reggae”, “sud af”, “country”… Ireo rehetra ireo ravahan’ny feomanga feno angola mahatakatra ny avo nananan’I Adeline ary mbola tsapa fa mitoetra amin’ireo zanany lahy sy vavy mandimby azy ankehitriny. Mora raisina avokoa ny hafatra anatin’ireo tononkira ho an’ny tarika Les Adeline. Tsy mety lefy laza hatramin’izao ny hira “Mila fanasitranana”, “Izay ela izay”, “Alfa sy Omega”, “Eo an-tratran’I Abrahama”, “Inona no antenainao ?”, sns. Midika fa nahafeno ny famaritana ny atao hoe : “Kanto” ireo sanganasan’ny tarika. Mihira ireo trangam-piainana sy fiarahamonina misy ihany koa ny tarika. Tsy mahagaga, araka izany, raha mifanjohy akaiky dia akaiky ireo mpikambana sy ireo mpankafy azy ireo mandraka ankehitriny.
Hanamarika izao fiverenana an-tsehatra ho an’ny Les Adeline izao ny famoahana ilay rindran-tsary ombam-peo “Ny hositrao”. Narindra amin’ny gadona “pop rock” ity hira vaovao ity, hoy I Sarobidy izay mpamorona sady mpandrindra eo anivon’ny tarika. Hiara-dalana amin’izao fiverenana an-tsehatry ny “Les Adeline izao ny fanatontosana seho mitety faritra eto an-tanindrazana ary hipaka hatrany Dilambato ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy efa tsindrian-daona fatratra ny hanjifa indray ireo taokanton’ny Les Adeline. Tarigetran’ny tarika ny hoe : “Hidera ny anaranao aho Jesoa raha mbola velon’aina”. Tanteraka ara-bakiteny tokoa izany amin’izao fiverenana an-tsehatry ny Les Adeline izao.
