TARIKA « OLADAD » Hamarana ny taona any Frantsa

Hisidina handray ny Voromby hiazo tsy ho ela an’ny Frantsa ny tarika Oladad, hanatanteraka fiakarana an-tsehatra miisa enina any an-toerana. Anisan’ireny ny any Paris, Lyon, Toulouse ary hipaka hatrany Alemana.

Raha tsiahivina, nivoy ny gadona rap, tany am-piandohana ny tarika Oladad, ny taona 1996, izay niforonany. Ny fahatsapana fa misy sokajina mpankafy tsy resy lahatra loatra amin’ity gadona ho an’ny tanora ity no naha tapa-kevitra ireo mpikambana ahitana an’i Tsiry, Lova, Kids, Dadalo ary Evanse niketrika ny fomba hampivadiana ny mozika betsileo toy ny horija sy ny zafindraony amin’ny dance soul na ny rap… mba hivelatra sy ho tafita amin’ny sarababem-bahoaka tsy an-kanavaka ny fankafizana ny taokanton’izy ireo. Teraka teo, araka izany, ny sanganasa « Afindrafindrao » izay toy ny penina sarobidy nentin’ny tarika « Oladad » nanoratra voalohany ny anaran’izy ireo anatin’ny « Diarin’ny kanto an-kira malagasy » Tarika azo ambara ho manome hasina sy lanja ary miezaka mandrakariva mametraka amin’ny toerana sahaza sy mendrika azy ny mozika nentim-paharazana malagasy nohatsaraina mba ho afaka misedra vanim-potoana maro mifandimby, araka izany, ry Oladad.

Rakikira miisa roa « Afindrafindrao » sy ny « Ambony maso » no efa voajarin’ny tarika. Efa tsy afaka am-bavan’ny maro ihany koa ny « Agnao » sy « Sesily ». Farany teo ny namoahana ny « Tagnalahy » sanganasan’ny zokibe Mamy Ralaivaohita. Ity farany izay nandrombaka ny Prix « Decouverte RFI » ny taona 1983. Azo ambara ho Andrarezin’ny mozika malagasy avy ao Fianarantsoa. Mitohy hatrany ny fandalinana sy ny fitrandrahana tsy ankiato ny mozika ho an-dry Oladad.

Vous aimerez aussi