Ahitana olana avokoa ankehitriny ny toe-draharaham-pirenena maneran-tany. Na ireo firenen-dehibe any amin’ny kaontinanta Amerikanina na ireo firenena any amin’ny kaontinanta Aziatika na ireo firenena aty amin’ny kaontinanta Afrikanina dia samy ahitana io olan’ny toe-draharaham-pirenena io avokoa. Raha ho antsika eto Madagasikara dia saika samy maneho ny heviny avokoa ny antoko politika eto amintsika amin’izao fotoana izao manoloana izay toe-draharaham-pirenena izay.
Na ny avy amin’ny mpanohitra na ny avy amin’ny mpanohana dia samy manana izay heviny izay avokoa. Anisan’ireo antoko politika maneho hevitra hatrany ny Madagasikara Endrika VAnona na ny MAEVA izay tarihan’ny filohany Raharimanana Mamy, amin’izao toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena izao. Ny antoko politika MAEVA izay efa nanambara fa tokony hisy hatrany ny fifampidinihana an-databatra boribory mba hamahana ny olana rehetra misy eto amin’ny firenena. Tomponandraikitra amin’ny toe-java-misy eto amin’ny firenena ny rehetra na ireo olom-boafidy na ireo olom-boatendry.
Aoka izay ny fomba fijery amin’ny fitiavan-tseza, ny fitiavam-boninahitra sy ny fitiavam-bola ary ny fitiavan-karena fa mba jereo ny Malagasy satria tsy an’olona iray na roa na telo lahy i Madagasikara. Amin’izao fahasahiranana sy ny toe-draharaha Politika – Sosialy – Ekonomika izao dia sarotra dia sarotra tokoa izany lalana lalovan’ny Firenena Malagasy izany saingy misy anefa ny vahaolana dia tsy inona izany fa ny dinika an-databatra boribory. Aoka tsy ho sinema araka izany ity raha ity ka hoe : hifampizarazara seza eo dia vita fa mba tena hisy ny fitantanana firenena, hoy hatrany Raharimanana Mamy, filohan’ny antoko politika Madagasikara Endrika VAnona na ny MAEVA.


