TOETRANDRO MAHERY VAIKAN’NY TAONA 2024 : Nampikorontana ny fampianaran’ny ankizy maneran-tany

Araka ny tatitra navoakan’ny “Unicef” dia mpianatra miisa 242 tapitrisa avy amin’ny firenena miia 85 maneran-tany no niaina ny fikorontanan’ny fampianarana noho ny loza ateraky ny toetrandro mahery vaika nandritry ny taona 2024. Io toetrandro mahery vaika avy amin’ny rivo-doza sy ny tondran-drano ary ny onjan’ny hafanana miampy ny hain-tany io izay miantraika amin’ny sehatry ny fampianarana. Niteraka fanakatonana ireo sekoly tamin’ny taona 2024 ity loza lehiben’ny onjan’ny hafanana tafahoatra manerana izao tontolo izao ity.

Ny kaontinanta Aziatika sy ny kaontinanta Afrikanina no tena ianjadian’ity krizy ara-pampianarana ity. Anisan’izany ny tany Azia Atsimo izay nahitana ankizy 128 tapitrisa raha toa ka 50 tapitrisa izany tany Azia Atsinanana sy Pasifika. Nanakatona ny sekoliny ihany koa ankoatra izay ny tany Bangladesh sy Phillipines, ny volana aprily 2024 raha nametraka ora fampianarana ankoatran’ny mahazatra ny tany Cambodge. Aman-tapitrisany kosa izany ankizy voakasiky ny krizim-pampianarana izany tany amin’ny firenena hafa maro maneran-tany. Ny mari-panan’ny hafananan’ny tany tany amin’ny faritra Azia Atsimo tamin’ny taona 2024 izay nahatratra hatrany amin’ny 47°C hany ka nampidi-doza ny fahasalaman’ny ankizy mpianatra tany an-toerana. Ny ankizy mpianatra izay mora voakasiky ny fiovaovan’ny toetrandro hany ka miteraka faharefoana ara-batana. Izy io izay mampihena ihany koa ny fahafahan’ny ankizy mianatra indrindra fa rehefa mafana loatra ny efitranon-tsekoly sy raha dibon-drano ny lalana mankany an-tsekoly, araka ny fanazavan’ny talen’ny “Unicef”, Catherine Russell. Raha ny hafanana mahery vaika no niseho tany amin’ny kaontinanta Aziatika ny taona 2024 dia ny hain-tany indray no tena nibahan-toerana tany amin’ny kaontinanta Afrikanina. Ny tany Afrika Atsimo dia tena nisy fiantraikany ka niteraka tondran-drano tany an-toerana ny “EL NINO”. Na ny tany amin’ny kaontinanta Eoropeanina (Italie sy Espagne) ihany koa aza dia nisedra ny mafy tamin’ny tondran-drano hany ka nanakana ny fampianaran’ny ankizy aman’arivony. Ny zava-misy araka izany dia tsy voaomana amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro ny sekoly sy ny rafi-pampianarana maro. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitrasa satria kely ny fampiasam-bola entina hananganana sekoly maharitra sy tsy mahatohitra loza.  Na izany aza anefa dia ohatra tsara azo tsapain-tanana ny zava-misy any Mozambika izay nanorenana sekoly mahatohitra rivo-doza ka nanampy ny ankizy mpianatra.

Ny « Unicef” dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hampitombo ny teti-bolan’ny fampianarana mba hahafahana manatsara ny sekoly ka mba hahatohitra ny loza ateraky ny toetrandro manoloana ny hafanana mahery vaikan’ny taona 2050. Ankoatra izay dia miantso ny fitondram-panjakana hatrany ny “Unicef” mba hanorina sekoly vaovao izay miaro ny ankizy amin’ny toetrandro tafahoatran’ny hafanana. Mba hampiditra ihany koa ny fanabeazana momba ny fiovaovan’ny toetrandro ao anatin’ny fandaharam-pianarana rehetra. Ny “Unicef” dia nanantintratitra fa ny ankizivavy dia misedra olana maro samihafa toy ny fanambadiana aloha loatra sy ny fampiasana ankizy ary indrindra fa ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy.

Vous aimerez aussi