TONTOLON’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA Ho fongana noho ny doro tanety

Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin-dRazafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Joli » eo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana mifototra amin’ny fampiasana ny ravinkazo sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ilay Nahary nolovainy tamin’ireo Ray aman-dreniny amin’ny fanorana ho fanohizna ny taolana tapaka. « Tsy loza manambana fa efa loza mihatra amin’ireo mpisehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ankehitriny ny faharinganan’ireo ravinkazo fampiasa hitsaboana ireo marary noho ny doro tanety, fanaovana tavy, sns », hoy i Joli. Ankehitriny, tsy afaka mitsabo ny aretina sinusite intsony ny lehilahy noho ny tsy fisian’ny ravinkazo fampiasa amin’izany. Nomarihan’i Joli ihany koa fa tsy mitovy ny hery ananan’ireo zavamaniry « dia » maniriniry eny rehetra eny ara-boajanahary sy ireo ambolena. Tsapa ho somary mihena ny hery ananan’ireo zavamaniry volena. Azo ambara, araka izany, fa ho fongana sy tsy hisy intsony ny fitsaboana nentim-paharazana mifototra amin’ny fampiasana ireo karazan-kazo mahasitrana aretina maro eto Madagasikara raha mitohy ny fanimbana ny tontolo iainana.

Raha tsiahivina, ny taona 1995 no nanomboka nisehatra teo amin’ny lafiny fitsaboana mifaka amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fanorana voajanahary amin’ny alalan’ny fananan’ireo rantsan-tanan’i  Joli « hasina » manokana amin’ny fanorana ireo taolana tapaka sy ny fampiasana ireo raokandro (Ravinkazo) hoenti-mitsabo ireo aretina marolafy toy ny diabeta, fery tsy mety sitrana, homamiadana, sns i Razafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli. Mampiavaka ny fitsaboana ny taolana tapaka ataon’i Joli ny fampiasany ny fanadontoana « Anesthésie » vita avy amin’ny zavamaniry ahodina hanjary evoka. Tsy maheno fanaintainana be, araka izany, ireo Olombelona tonga mitsabo tena noho ny fahatapahan’ny taolana ao aminy. Nomarihan’i Joli hatrany fa eo ampandraisana ireo marary izy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo rantsan-tanany dia efa mahita sahady ny fomba hitondrana ny fitsaboana azy ireny. Ireo rantsantanan’i Joli izay nomarihany fa afaka mamantatra sahady ny fototraretina mianjady amin’ilay Marary. Tsy hay hazavaina, hoy, izy fa ambara tsotra amin’ny hoe : « Fanomezam-pahasoavana » miampy ny fampiasana ireo karazan-javamaniry misy eto Madagasikara no antoky ny fahombiazan’ny fitsaboana ataony.

Etsy Ambohitsaratelo Ambohimamory Ampitatafika ankehitriny no misy ny toera-pitsaboana hanasoavan’i Joli ireo mpiara-belona aminy tojo tsy fahasalamana sy fahatapahan’ny taolana. Mifameno fa tsy mifanohitra ny fitsaboana ara-medikaly sy ny nentim-paharazana, hoy i Joli. Miara-miasa akaiky amin’ireo « Dokotera » rahateo ny lehilahy. Vinanasany manaraka ny hanangana « Akany » goavana hanasoavana ny Malagasy tsy ankanavaka. Miandrandra fifanomezan-tanana amin’ny rehetra mba hoenti-manana izany i Razafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli. Ity farany izay Zanaky Mananjary.

Vous aimerez aussi