TONTOLON'NY ZAITRA : Manandratra ny vita malagasy ny "Confect H'art"

“Confect H’art” Orinasa najoron-dRamatoa Randriamampianina Miora, nanomboka ny taona sivy ambiny folo sy roa arivo. Misehatra manontolo amin’ny famokarana ireo akanjo fitondra miasa (Tenue de travail) sy ny fametrahana ireo sary na soratra (Personnalisation) mampiavaka ireo Orinasa, fikambanana, antoko mpihira na politika… amin’ireo karazan’akanjo toy ny t-shirts, gilet, casquette, polo, fanion … ity Orinasa zato isan-jato Malagasy ity.

Tombony ho an’ny Orinasa “Confect H’art” ny fananan-dRamatoa Randriamampianina Miora mpanorina azy ny traikefa sy ny haizatra an-taonany maro teo amin’ny sehatry ny fikirakirana ny tontolon’ny zaitra. Vokany, manana kalitao tsara tsy mena mitaha amin’ny hafa ireo vokatra vokarin’izy valo mianadahy izay miara-miketrika ny fanatanterahana ireo asa. Sarotiny amin’ny fanajana ny fotoana omena ireo Mpanjifa hahavitan’ny asa ihany koa ny “Confect H’art” etsy Ambohipo Andohanimandroseza. Maharaka ny fivoaran’ny teknolojia ampiasaina amin’ny habaky ny zaitra sy ny fanaovana “Sérigraphie” ihany koa ny Orinasa “Confect H’art” Manomana ny hampiasa ny “Impression gomme” tsy ho ela ny Orinasa ankehitriny. Misy hatrany ny fikojakojana ireo milina ampiasaina.

Orinasa Confect H'art sarotiny amin'ny fanajana ny kalitao

Anisan’ireo olana nosedrain’ireo mpisehatra amin’ny fanjairana ny fiakaram-bidin’ireo akora fototra tahaka ny lamba sy ny kofehy. Manginy fotsiny ny fisian’ny fifaninanana tsy manaraka ny lalàna “Concurrence déloyale” eo amin’ireo samy mpamokatra eto an-toerana.

Nampitandrina ireo Mpanjifa mampiasa ny tambazotran-tserasera nohon’ny fisian’ireo mpisoloky izay mandraviravy vidin’entana mora i Randriamampianina Miora. Maro no efa very vola tamin’ireny, hoy, hatrany izy. Nanteriny fa tsy tokony hosodokan’ ny mora ireo Mpanjifa. Azon’ireo te hanjifa ny vokatra avy amin’ny “Confect H’art” atao rahateo ny mitsidika ny toeram-piasan’izy ireo etsy Ambohipo Andohanimandroseza.

Marihana fa ny enimpolo isan-jaton’ireo Mpanjifa eo anivon’ny “Confect H’art” dia avy any amin’ny faritra avokoa. Fanamby napetraky ny “Confect H’art” ny hitazona hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra ho fanomezana fahafaham-po ireo Mpanjifa. Ny laharana 034 80 743 26 no ahafahana mifandray amin’ny”Confect H’art”.

Vous aimerez aussi