TRANO PRINTY LOTERANA MALAGASY : Mandalo fotoan-tsarotra ireo mpiasa

Velon-taraina amin’izao fotoana izao, ireo mpiasan’ny Trano Printy Loterana Malagasy (TPFLM) izay miisa 40 mianadahy, eny Antaninarenina. Antony dia noho ny tsy fahalavorarian’ny resaka fandoavana karama. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny tsy fisitrahan’izy ireo araka ny tokony ho izy ny “CNAPS” sy ny “OSTIE”. Manoloana ny zava-misy dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny foiben’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ireo Misionera ireto mpiasa ireto. Tanjona ny mba tsy hampisavorovoro ny sain’ireo mpanara-baovao indrindra fa misy ny fampielezana tsaho ankehitriny.

Ny Trano Printy Loterana Malagasy izay manana ny foiben-toerany eny Antaninarenina dia efa niorina nandritry ny 150 taona. Efa vakoka manan-tantara eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny Baiboly araka izany izy ity. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fanontany ireo boky mifandraika amin’ny lafiny fampianarana sy ny fanabeazana izay tena manan-danja tokoa eto amin’nyfirenena. Heverina araka izany fa hisy ny ezaka hatao mba hampihodina araka ny tokony ho izy ity TPFLM ity, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi