Natokana handraisana ny fitarainan’ny olona manana ahiahy amin’ny fitondrana ny valan’aretina covid19 ny Village Voara Andohatapenaka. Araka ny fanazavan’ny Praiministra ny alin’ny alahady lasa teo, dia ivo-toerana iray handraisana olona manana ahiahy amin’ny aretina io ivo-toerana io. Afaka mandeha ao amin’io avokoa ny olona rehetra. Misy mpitsabo afaka mandray azy ireo ao ary afaka manao fitiliana mandritry ny 24 ora ihany koa ity toerana ity. Misokatra mandritry ny 7 andro ny ivo-toeranaka maimaim-poana ny fitiliana izay atao ao ary afaka mody ny olona rehefa vita ny fitiliana atao aminy. Manana safidy kosa ny olona, hoy ny praiministra na hijanona ao an-toerana na hamonjy hody, safidy io, hoy izy. Misy ny fanafody sy fanefitra omena ireo olona tonga ao. Ny olona mitondra ny tsimokaretina kosa dia tokony ho mihiboka ary tsy mivoaka ny trano. Ny olona no mandray ny fepetra rehetra mba tsy ahafahany mamindra ny aretina amin’ny fianakaviany, na ny manodidina na ny hafa, hoy hatrany ny praiministra. Nambarany, fa miaro ny fianakaviany, ny fiaraha-monina ary ny manodidina azy ny olona mihiboka any an-trano raha mitondra ny tsimokaretina. Ankoatra izay, dia afaka mandray ny fitarainan’ny olona manana ahiahy amin’ny fahasalamany ity ivo-toerana ity ary mbola mitohy ny fitiliana, hoy hatrany ny Praiministra. Marihana, fa hisokatra ny alarobia ho avy izao ity ivo-toerana etsy Andohatapenaka ity, hoy praiministra.
Vous aimerez aussi
GROUPE « HELL’S » Mivoy ny « Rock fusion », manandratra ny fandriampahalemana
Tany amin’ny taona 2017 no efa nijoro ny Groupe Hell’s (Fanafohizana ny hoe : « Hell rush ». Ankehitriny,...FANANAN-TANY Miahiahy ny mponina ao Nosy Mitsio
Ho tohin’ny fanambarana nivoaka teo aloa teo, dia tonga eto Antananarivo ireo solon-tenan’ny Mponina ao Nosy...TONTOLON’NY FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA Ho fongana noho ny doro tanety
Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentin-dRazafindralamina Nomenjanahary Alexis Joli, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Joli » eo amin’ny sehatry...