Handalo fitsarana mialoha ny 15 desambra ireo voafonja tsy mbola voatsara. Fanambarana nataon’ny Minisitry ny Fitsarana izany, io maraina io, raha nanao fitsidihana teny amin’ny fonjan’Antanimora, niaraka tamin’ny Filoham-pirenena izy.
Fitsidihana tampoka no natao tamin’ity maraina ity, ka nahazoana nijery ifotony ny zava-manjo sy iainan’ireo voafonja sy voatana eny an-toerana.
Voafonja 4.357
Miisa 4.357 ireo olona voafonja sy tanana ao amin’ny fonjan’Antanimora ankehitriny, ka ny 1.905 dia vehivavy. Raha ny tokony ho izy anefa dia natao hahazaka olona miisa 800 ihany izy ity.
Ankoatra ny fahamaroan’ny olona dia hita fa efa tranainy tokoa ity fonja vita tamin’ny fotoan’ny nahazoana fahaleovantena ity. Noho izany, hisy ny fanamboarana fonja vaovao hataon’ny fitondram-panjakana.
Hotsaraina haingana
Mialoha izany anefa dia tsy maintsy hafainganina ny fitsarana ireo tsy mbola notsaraina mba hampihena ireo olona voatana ao. Fantatra manko fa olona dimy (5) isan’andro no mivoaka ao, saingy folo (10) isan’andro kosa no miditra.
Hojerena manokana ihany koa ny hanomezana fahafahana ireo zokiolona mihoatra ny 62 taona ary indrindra ireo olona notanana aman-taonany, izay nanao heloka tsy dia manao ahoana loatra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

