VOKA-DRATSIN’NY CORONAVIRUS Latsa-bidy ny ankamaroan’ireo voly fanondrana

Vokatry ny fisian’ny valan’aretina coronavirus dia tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny voly fanondrana amin’izao fotoana izao. Raha ny any Nosy be fotsiny dia mahatratra hatrany amin’ny 70% ny fihenan’ny vidin’ny Ylang Ylang sy ny lavanila. Miditra fatiantoka avokoa ny mpivarotra sy ny mpamokatra ary ny mpandraharaha. Raha tsiahivana dia ny 25%n’ny famokarana Ylang Ylang maneratany dia avy eto Madagasikara avokoa. Raha 5 000 Ariary ny kilao teo aloha dia tafidina hatrany amin’ny 1 000 Ariary izany amin’izao fotoana izao. Mahakasika ny lavanila dia mahatratra 200 000 ariary ny kilao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena kenefa tafidina 60 000 Ariary izany ankehitriny. Vokatr’izany dia hihena be ny vola ampidirin’ny vokatra fanondrana ka miandry ny paikady sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ireo mpisehatra rehetra.

Vous aimerez aussi