Ny taona 2023 no niorina ara-panjakana ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelomaso ». Antom-pisiany ny hampatsiahy sy hamerina ireo fomban-drazana malagasy sy ireo soatoavina raiketin’izy ireny. Ny fomban-drazana izay nentina nametrahana ny hasin’ny soatoavina malagasy mifaka amin’ny fihavanana sy fifanajana ary ny fifampitsinjovana.
Zava-dehibe amin’ny soatoavina ny fifanajana sy ny lamina ara-boajanahary mba hananana filaminana ka hahafahana mandroso ho amin’ny tsara. Nandray anjara hatrany tamin’ny fanatanterahana ireo fomba amam-panao malagasy eto anivon-tany ary manomboka efa misandrahaka any amin’ny faritra izany ankehitriny toy ny fandraisan’anjaran’ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelomaso, tamin’ny, « Fitampoha 2023 » tany Mahajanga. Misokatra ho an’ny rehetra ny vondrona « Tsy mamorona fa mamelomaso ». Ny tontolon’ny fomban-drazana malagasy manerana an’i Madagasikara, araka izany, no ifotoran’ny sehatrasan’ny vondrona « Tsy mamorona fa mamelomaso » Tanjona ny famerenan-kasina sy ny fameloma-maso ny maha malagasy toy ny soatoavina izay nahatsara sy nahasoa ireo mponin’ny Nosy fahiny mba hahafahan’ireo taranaka any aoriana misitraka ny fahasoavana fa tsy iaina lavareny ny fahasahiranana izay miteraka fahantrana lalina misy ankehitriny. Ramatoa Rovaniaina Kanto Nomenarivony ankehitriny no filoha ara-panjakana mitantana ny fikambanana « Tsy mamorona fa mamelomaso » Tsy manavaka firehana , finoana, saranga ny « Tsy mamorona fa mamelomaso » fa mametraka ho zava-dehibe hatrany ny soatoavina malagasy izay mifaka amin’ny fifanajana, fifampitsinjovana ary ny fanajana ny lamina efa napetrak’ireo Ray aman-dreny teo aloha. Maro ankehitriny ireo vondrona efa miara-miasa akaiky amin’ny « Tsy mamorona fa mamelomaso » Tanjona anatin’izany ny fametrahana ny firasankina hanamorana ny fanatrarana ny tanjona iombonana dia ny famerenan-kasina tovozina amin’ny alalan’ny fanatanterahana indray ireo fomban-drazana malagasy.