Ny fanadiovana ny lakan-drano teny amin’ny tsenan’Andravoahangy indray no hetsika ara-tsosialy notontosain’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M, ny sabotsy 18 Aprily 2026. Anton’izao hetsika izao dia ny fitsinjovana ireo mpiara-belona noho ny tontolo iainan’izy ireo. Maloto sady maimbo ny toerana noho ny fahatsentsenan’ny lakan-drano. Antony fanadiovana. “Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana” rahateo no teny filamatry ny MAFI-M. Nanentana ny mpampiasa lakan-drano sy ireo mponina ary ireo mpivarotra araka izany ny Vovonana mba tsy hanary fako ao amin’ny lakan-drano fa mandrora mitsilany izy ireo ka mahavoa tena. Tsy hijanona eny amin’ny Boriborintany Fahatelo ihany ny fanatanterahan’ny Vovonana MAFI-M, ny asa sosialin’izy ireo fa hitohy manerana ny Boriborintany eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izany. Tsy vao izao no nanatontosana hetsika ara-tsosialy ny Vovonana MAFI-M izay tarihin’ny Filoha nasionaliny, Behava Etienne, fa efa nanatontosa izany izy ireo. Anisan’izany ny fitondrana fanampiana ireo mpianatra may trano teny Ankatso II. Teo ihany koa ny fanolorana fofanana tamin’ireo tanora.


