VOVONANA TANORA ARON'NY FANAVAOZANA NA NY TAFA : Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena

Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena no napetraka fa tsy ny mifanohitra amin’izay na ny fanovana rafitra mialoha ny fotoana, io no nivoitra nandritry ny fampahafantaran’ny Vovonana Tanora Aron’ny FAnavaozana na ny TAFA, ny fijoroan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 17 aprily 2026, teny Anosizato Est I. Ity Vovonana izay tarihan’ny Filoha nasionaliny, Madov, ity izay nanambara fa fitaka ny fampirisihana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, raha toa ka mivaona, amin’izay no hitondrana ny firenena. Ny Vovonana TAFA izay ivondronan’ireo Gen XYZBB DE. Tsy nandray anjara tamin’ilay hetsika notontosain’ny Gen Z, teny Ambohijatovo. Mangataka ny hamoahana ireo namany izay mbola tsy navotsotra rehefa nisamborana kosa anefa ny Vovonana TAFA, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi