Ny Alahady 22 Oktobra taona 2017 no nitsiry tao an-tsain’ireo tanora maromaro nonina tao amin’ny faritra Masindahy Eli Malaza izay mandrafitra ny Paroasy Masindahy Piera Malaza Andoharanofotsy Renivohitry ny Distrika ny hanana tarika. Teraka teo ny Groupe Salve. « SALVE » voambolana latina adika tsotra amin’ny hoe : « Famonjena » Notsoahana avy amin’ilay fiteny hoe : « Salve Regina » na « Arahaba ry Mpanjaka vavy ».
