RFF « FJKM AMPARIBE FAMONJENA » : 25 Taona nanabeazana Tanora mba ho vanona

RFF FJKM Amparibe Famonjena

« Rantsana Fanatanjahatena sy Fialam-boly » na RFF Sampana mijoro eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Misehatra amin’ny fitaizana ireo mpikambana hiova fo ho Kristianina ho andrin’ny fianakaviana sy ny firenena. Ny lafiny fanaovana ny fanatanjahatena sy ny filalaovana ny hira sy ny mozika. Ireo no sehatrasa ataon’ny RFF FJKM Amparibe Famonjena ho entiny manatratra ny tanjona dia ny hamolavola tanora Kristianina vanona…

KAOMININA AMPITATAFIKA : Nanolotra fanomezana tamin’ireo mpianatra tsara naoty tamin’ny CEPE

Mpianatra mendrika Kaominina Ampitatafika

Lanonana maro sosona no notontosaina teny amin’ny kaominina Ampitatafika, ny alatsinainy 7 jolay 2025. Teo aloha ny fanolorana loka ireo ankizy mpianatra tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2025. Ankoatra izay dia ny fanolorana amboara tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny distrika izay ny kaominina Ampitatafika no nivoaka mpandresy.

FIFANINANANA HAZAKAZAKA AM-BISIKILETA “RODORODON’IARIVO” : Tontosa ny alahady lasa teo

Rodorodon’Iarivo

Ny alahady 6 jolay 2025 no nanatontosana ilay fifaninanana hazakazaka am-bisikileta “Rodorodon’Iarivo” izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny (LCYA). Izy io izay niainga teny Soavimasoandro ka nifarana teny Imerikasinina. Halaviran-dalana 32km sy 60 km ary 72km no nandraisan’ireo mpifaninana hazakazaka am-bisikileta ireo anjara amin’izany.

Au Soleil !

Retraités Malgaches

Dans mes errances dans la capitale me révèlent des choses, des fois utiles. En passant à Ampefiloha, face à la CNAPS, se trouve un jardin bien entretenu et clôturé. Les bancs alignés étaient tous occupés par des gens âgés. Curieux, j’ai questionné des passants aux environs du site, et j’ai su que ce sont des retraités qui vont déposer un papier administratif à la CNAPS.