Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Salon de la Rentrée Universitaire” izay tanterahana eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny alatsinainy 25 sy ny talata 26 aogositra 2025, ny “Excellence-Institut Supérieur du Tourisme et de l’Hôtellerie” izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra.
Jour : 26 août 2025
“TOURISME” – “RESTAURATION-HOTELLERIE” : Manome fampiofanana arakasa momba izany ny “Acta Partners”
Ny “Acta Partners” izay “cabinet” efa nijoro ny taona 2012 teo amin’ny resaka “Tourisme” sy ny “Restauration-Hotellerie” dia manome fampiofanana arakasa. Izy ireo dia misehatra amin’ireo lafiny maro toy ny “Guide touristique” sy ny “Agent d’accueil touristique”. Eo ihany koa ny “Linger/Lingère”, “Réceptionniste”, “Femme/Vallet de chambre”, “Serveur”, “Maitre d’hotel”, “Barman” sy “Commis de cuisine” ary “Concierge”.
SEKOLY AMBONY TSY MIANKINA “EXCELLENCE” ENY FARAVOHITRA : Mampiofana amin’ny sehatry ny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny
Ny Sekoly Ambony tsy miankina “Excellence-Instutit Supérieur du Tourisme et de l’Hotellerie”, izay manana ny foiben-toerany eny Faravohitra, izay efa nijoro ara-panjakana nandritry ny telo taona izao dia manomana ireo tanora mpianatra na olona te handalina fahaizana amam-pahalalana amin’ ny lafiny fizahan-tany sy ny trano fandraisam-bahiny…