Ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana “Madagascar data science regional hackathon” no tontosaina, eny Andraharo, nanomboka ny 7 aprily ka hatramin’ny 10 aprily 2025. Ity fifaninanana ity izay entina hanohanana ny siansa sy ny fampidirana ny teknolojia vaovao izay tsy azo ihodivirana intsony amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny “Intelligence Artificielle” na ny (IA). Izy io nanjary fitaovana manan-danja tanteraka eo amin’ny fiainana ankehitriny.
Ny “Madagascar data science regional hackathon” araka izany dia ahafahan’ireo tanora mpandray anjara mampihatra ny fianarana matematika tany an-tsekoly. Izy io izay ampiasaina isan’andro kanefa toa tsy voadinika akory hoe mamela ny zanak’olombelona hivoatra hatrany. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fiovana sy ny fivoarana araka izany isika ka tokony hahay hahafehy ny “IA” ny rehetra. Ankoatra izay dia tokony hahay hahafehy ny tenim-pirenena Anglisy ihany koa ny tsirairay indrindra fa ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana. Hanohy ny fifaninanana any ivelan’ny Nosy mantsy ireo mivoaka mpandresy amin’ity hetsika ity. “Ny « astronomie et l’utilisation de l’intelligence artificielle » » no lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity. Noho izany dia mitaky faharanitan-tsaina ny fifaninanana. Tsy ny eto Madagasikara no mikarakara ny fifaninanana “Madagascar data science regional hackathon” fa maro ireo firenena manomana ny fifaninanany ihany koa, amin’izao fotoana izao. Manantena anefa ny tomponandraikitra mpikarakaraka ny fifaninanana fa ho anisan’ireo sangany amin’izao fifaninanana izao, ny ekipa Malagasy. Izy ireo izay hita fa manan-talenta tokoa. Manana efatra andro araka izany ireo mpandray anjara hamoronana sy hamolavolana tetikasa momba ny fifaninanana. Tanora mpianatra avy amin’ireo Oniversite maro samihafa eto Madagasikara manodidina ny telopolo isa no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Izy ireo izay ahitana mpianatra avy any Fianarantsoa mandray anjara.
Ny “NextA et Axian University” no nampiantrano raha mpanohana ity fifaninanana “Madagascar data science regional hackathon” andiany voalohany ity ny “Axian Group”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny fifaninanana “Madagascar data science regional hackathon”, Ralitera Ny Ando.
