14 OKTOBRA 1958 : Mitsingerina ny faha-61 taonan’ny Repoblika Malagasy

14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2019. Feno 61 taona ny fanambarana tamim-pomba ofisialy fa tsy miankin-doha tanteraka amin’i Frantsa intsony i Madagasikara. Notapahina tamin’izany koa fa rafitra repoblikana no hitondrana ny firenena ka tsy manan-kery intsony ny rafitra napetraky ny mpanjanatany. Nijoro tsikelikely, araka izany, ny andrim-panjakana isan-tokony.
Koa araka ny tokony ho izy dia ny 14 oktobra no fetim-pirenena malagasy.

Niova ho 26 jona

Nanova ny rafitra misahana ireo firenena nozanahany ny Jeneraly De Gaulle, nandritra ny fivoriambe natao tany St Louis Sénégal, ny desambra 1959. Tamin’izany no nangataka ny fahaleovanatenan’i Madagasikara tanteraka ny Filoham-pirerena malagasy, Philibert Tsiranana.

Nisy, noho izany, ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta, tany Parisy, ny 10 febroary 1960. Koa natao ny sonia milaza ny maha mahaleotena an’i Madagasikara , ny 02 aprily 1960 ary natao koa izany tao Andafiavaratra Antananarivo, ny 26 jona 1960.

Koa niova ho 26 jona hatreo ny fetim-pirenena malagasy.
Marihina fa efa nanana hiram-pirenena sy sainam-pirenena ny Malagasy ny aprily 1959.

Zanatany i Madagasikara

Nanana ny rafitra manokana niainany ny Malagasy teo amin’ny fitondran’ny Mpanjaka nifanesy nandritra ny taonjato maro.
Rava anefa izany satria nilavo lefona teo anatrehan’ny Frantsay ny fanjakana malagasy ny taona 1895. Ny Frantsay, araka izany, no nametraka ny rafi-pandaminana sy nitondra an’i Madagasikara, izay lasa zanatany tanteraka ny 06 aogositra 1896.

Manoloana izany no nahavoadona ny ambompon’ny Malagasy tia tanindrazana satria very ny maha-Malagasy. Nitsangana, noho izany, ny antoko sy fikambanana samihafa mba hanohitra ny fanjanahantany. Very maina anefa ny tolona na dia maro aza ny aina nafoy.

Nitaky fiovana

Maro ireo firenena voazanaka toa an’i Madagasikara no naniry ny hiverina amin’ny fahaleovantena ka tsy nitsahatra nitaky izany.
Koa ny taona 1956 no nivoaka ny lalàna lasitra, izay namela ireo zanatany haneho ny heviny sy ny safidiny amin’ny alalan’ny fifidianana. Nihatra teto Madagasikara izany lalàna izany ny marsa 1957, izay nisian’ny fifidianana Solombavambahoaka.

Nijoro ihany koa ny governemanta malagasy ka André Soucadaux, izay kaomisera ambony teo aloha ihany no lasa filoha vonjimaika ary Philibert Tsiranana no filoha lefitra.
Nanova ny rafitra ny Jeneraly De Gaulle ny jona 1958 ka nafindra tamin’i Philibert Tsiranana ny fitondrana ny jolay 1958.

Dihy an-kalamanjana (bal populaire) teny amin’ny « Square Galliéni » Ambohijatovo ary « Hira gasy » teny amin’ ny Kianjan’Isotry no nandraisan’ny Malagasy ny fanambarana ny maha-Repoblika an’i Madagasikara tamin’ny 20 oktobra 1958 (sary Net)

Nandresy ny « Eny »

Ny 28 septambra 1958 no natao ny fitsapakevibahoaka teto Madagasikara. Natao izany mba hahalalana ny hevitry ny vahoaka. Koa raha « Eny » no safidy dia miroso amin’ny fahaleovantenany kanefa mijanona miaraka amin’ny Frantsay ihany ny Malagasy. Raha « Tsia » kosa dia mizaka ny fahaleovantenany tanteraka ary misaraka amin’ny Frantsay i Madagasikara.

Koa lany tamin’ny voka-pifidianana 77% ny « Eny ». Noho izany, nahazo ny fizakantenany ny Malagasy ny 10 oktobra 1958.
Koa nambara tamim-pomba ofisialy izany ny 14 oktobra 1958.

Adino ny Repoblika

Toa adino anefa ny fankalazana izany tsingerintaon’ny Repoblika izany ankehitriny. Tsy misy ny fahatsiarovana azy amin’ny fomba ofisialy. Tamin’ny faha-50 taona aza moa dia nisy ny fandraràna nataon’ny Prefe teto Antananarivo Renivohitra raha nikasa ny hanao fivoriana tao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny olona, ny 13 oktobra 2008. Tsy lanonana ofisialy, hono, ny 14 oktobra, ka tsy azo atao ny mankalaza azy ampahibemaso eny amin’ny tranom-panjakana.

Tsy misy lanjany firy intsony, noho izany, ny tantara niandohan’izao Repoblikan’i Madagasikara izao.
Ilaina anefa ny fahalalana ny maha-Repoblika sy ny fototry ny tantarany.

Vous aimerez aussi