PAPA FRANÇOIS : Tsy ho an’ny mpino katolika ihany

Hanao fitsidihana eto Madagasikara ny Papa François ny 06 ka hatramin’ny 08 Septambra 2019 ho avy izao. Fitsidihana ara-pomba ofisialy tahaka ny fanaon’ny Filoham-pirenena rehetra izao hataony izao.

Ny Papa tokoa manko no Filohan’ny Fanjakan’i Vatican. Na ao Italia aza no misy an’i Vatican dia tsy miankina velively kosa amin’ny fanjakana italiana izy akory. Ny Papa rahateo ihany koa no lehiben’ny Fiangonana Katolika maneran-tany. Manana ny mpiara-miasa aminy akaiky izy amin’izany dia ireo Kardinaly rehetra misy maneran-tany. Ho antsika eto Madagasikara dia ny Monseniera Désiré Tsarahazana izany.
Tahaka ny rafi-panjakana rehetra ihany koa dia manana ny masoivohiny ny fanjakan’i Vatican, izay atao hoe Nonce Apostolique, ka etsy Ivandry Antananarivo no misy izany raha ny eto Madagasikara, ary ny Monseniera Paolo Rocco Gualtieri no miandraikitra izany ankehitriny.

Politika

Tahaka ny fitsidihan’ny Filoha rehetra dia misy ny vokatsoa ateraky ny fitsidihan’ny Papa. Tsy politika politisiana na politika ara-toekarena na ara-tsosialy,… voafaritra anefa izany fa miankina indrindra amin’ny fomba fijerin’ilay mpitsidika manoloana  ny zava-misy eo amin’ilay tany tsidihany sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao.
Ho an’ny Papa François, ohatra, dia te-hampahery ny firenena mahantra izy, te-hampiray ny Fiangonana rehetra, te-hampitsahatra ny herisetra,….
Ho an’ny firenena malagasy dia tsy isalasalana fa anisan’ny horesahan’ny Papa ny momba ny ady amin’ny fahantrana, ny fandrisihana ny tanora, izay herin’ny firenena iray,…eto amintsika.
Manao politika tokoa ny Papa amin’ny maha-mpitondra fanjakana azy ka afaka mandresy lahatra mpitondra fanjakana samihafa. Saingy tsy tafiditra amin’izany ny fandreseny lahatra firenena iray ho tonga katolika. Eny, na dia katolika aza ny mpitondra ilay firenena.
Misy hatrany anefa ny fomba fijery iraisaina manoloana ny fiainan’ny olombelona sy ny firenena ka azo atao tsara ny miara-miasa. Anisan’izany ny fanoheran’ny Papa ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, ny fanaovana fanalan-jaza, ny fivarotan-tena, ny fanandevozana amin’ny fomba samihafa,… Noho izany, manohana ny ezaka iadiana amin’izany ny Papa. Azony atao ny manohana na mitady mpanohana ny fikambanana miady amin’izany, saingy tsy manohana antoko politika kosa izy.

Vous aimerez aussi