Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny « Corps de la Paix » miisa 42 no nampanaovin’ny Masoivoho Amerikana Michael Pelletier fianianana nandritra ny lanonana izay natao teny amin’ny trano fonenany teny Ambaranjana ny 6 Jona 2019. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fambolena sy fiompiana ireo mpilatsaka an-tsitrapo vaovao ireo.
Vao nahavita fiofanana ara-kolontsaina sy ara-teknika ary fiteny Malagasy nandritra ny 10 herinandro izy ireo ary handeha hiasa eny anivon’ny fiarahamonina samihafa manerana an’i Madagasikara mandritra ny roa taona.
Ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana dia hiara-hiasa amin’ireo mpamboly sy mpiompy, vondrona na fikambanana samihafa any an-toerana amin’ny fampivoarana ny eny ambanivohitra, ny sekoly sy ireo vondron’olona, hanatsara ny fomba fiasa sy ny ara-tsakafon’ny vahoaka Malagasy izay ampiany sy omeny tantsoroka.
Izy ireo dia hiara-hiasa manokana amin’ireo vondron’olona eny ambanivohitra: hampihatra fomba fiasa vaovao sy tsara kokoa hamokarana sy hiarovana ny tany (anisan’izany ny fambolen-kazo); hampitombo ireo karazan-tsakafo azo jifaina sy ara-pahasalamana.
Ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fahasalamana kosa dia hanome tantsoroka ny ezaka atao manerana ny Nosy hahatonga ny Malagasy rehetra hiaina andro lava sy ara-pahasalamana kokoa. Hiara-hiasa amin’ireo tobim-pahasalamana na CSB (Centres de Santé de Base) sy ny vaomieran’ny fahasalamana na COSAN (Comité de santé) hampandrosoana ny fahasalamana isan-tokantrano amin’ny alàlan’ny tetikady vaovao atao hoe “Care Groups”
(Vondron’ny reny mpitarika ara-pahasalamana) manaparitaka ny hafatra ara-pahasalamana iarahan’ny mpilatsaka an-tsitrapo amin’ireo reny mpitarika, manao fampiofanana sy fanoroan-kevitra azy ireo. Tena zava-dehibe ny fiarahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa amin’ireo mpiray antoka eny anivon’ny vondron’olona hanatanteraka asa hampiroboroboana ny fahasalamana any amin’ireo kaominina. Ny sehatra mahalasika ny fahasalaman’ny reny, fisorohana ny aretina mpahazo ny zaza, tsy fahampian-tsakafo sy tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, tazomoka sy ireo aretina azo avy
amin’ny rano no iantsorohan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo.
Ny Talen’ny Corps de la Paix eto Madagasikara, Vanessa Dickey, dia nanambara fa andraikitry ny mpilatsaka an-tsitrapo ny manentana ny mponina mba hisy fihatraikany eo amin’ny fampandrosoana eny an-toerana. “Ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia miara-miasa mivantana amin’ny mponina, ny mpamboly sy mpiompy, ny reny, ny ankizy ary ny rafitra ara-pahasalamana isan-karazany mba hahafantarana ny hetahetan’ireo olona izay miara-monina sy miasa miaraka amin’izy ireo. Io fiaraha-miasa io koa dia ahafahan’ny mponina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo hitondra fiovana mivantana sy mahomby, mitodika amin’ny fampandrosoana. Izany fiaraha-miasa izany koa dia manampy amin’ny fifanakalozana ara–kolontsaina, izay mampiroborobo ny firahalahiana eo amin’ireo firenena samihafa maneran-tany.”
Ireo no asa miandry ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 152 eto Madagasikara amin’izao, izay miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fambolena ary ny fahasalamana. Efa mihoatra ny 1.400 ny isan’ireo mpilatsaka an -tsitrapo efa niasa teto Madagasikara hatramin’ny taona 1993.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.