« Izahay mponina eto amin’ny 67Ha avaratra dia tsy manaiky ny fanorenana tsy ara-dalàna. Toerana tsy azo hanorenana araka ny « Préscription d’Urbanisme » lah 104 MAHTP-Ajanony ny fanoherana Didim-pitsarana lah faha-20 tamin’ny 09 aprily 2025 mampiato ny asa », ireo no sora-baventy amin’ny takela-damba miisa roa hita mivandravandra eny amin’ny 67 Ha avaratra ampitan’ny « FJKM Salema 67Ha », nanomboka ny alakamisy lasa teo.
Anton’izao famoahana sora-baventy amin’ny takela-damba izao ny fanehoan’ireo mponina eny an-toerana ny fandavan’izy ireo ny fanorenana tsy ara-dalàna ny trano eo amin’ny tany malalaka izay faritra maitson’ity toerana ity. Ankoatra izay dia toerana malalaka misy ny fitoeran’ny fantson’ny Jirama ao ambanin’ilay hanorenana trano ka mampiandrona rano maloto eo amin’ilay toerana ny fanorenana ilay trano. Ity fanorenana trano ity dia efa namoahan’ny fitsarana fampiatoana saingy mbola tohizan’ny tompony ihany izany hatramin’izao. Antony dia noho ny afisazy navoakan’ny Kaominina mipetaka eny an-toerana izay milaza fa nahazoan-dalana ny fanorenana. Ny volana aprily 2025 anefa dia efa nisy izay fandraran’ny Fitsarana ny fanohizana ny fanorenana tsy ara-dalàna ny trano izay saingy hatramin’izao volana jona izao dia mbola tsy voasakana izany.
Tsy vao izao no nisy nanorina trano tahaka izao eo amin’io toerana io fa efa fanindiminy izao. Io fanorenana tsy ara-dalàna io io izay miakatra fitsarana hatrany ka dia resy hatrany ireo mpanorina ka niato ny asa. Ankehitriny anefa dia io mbola misy manorina trano io indray eo amin’ilay toerana, araka ny fanazavan’ireo mponina izay tsy mankasitraka ny asa fanorenana tsy ara-dalàna.
